Mitohy hatrany ny disadisa sy ny lonilony ary ny ady “mangatsiaka” eo amin’ireo olom-boafidy sy ny ireo olom-boatendry ao amin’ny distrika sy kaominin’i Soanierana Ivongo. Nanomboka tamin’ny fankalazana ny fetim-pirenena 26 jona lasa teo no niseho vahoaka voalohany izany, izay samy nanao ny fankalazany ny lehiben’ny distrika solon-tenam-panjakana andaniny, ny ben’ny tanana sy ny depiote olom-boafidy ankilany, ka ny vahoaka no valalanina sy ketraka noho ny zava-nisy tamin’izay. Ankehitriny dia, mbola mitohy izany olana sy ady izany ka nentin’ny ben’ny tananan’ny kaominin’i Soanierana Ivongo nanapaka ny herinaratra miainga amin’ny kaominina, mankao amin’ny biraon’ny distrika sy ny CENI ary ny biraon’ny tahirim-bolam-panjakana any an-toerana, ny fahazoany ity ambarany fa didim-panjakana avy amin’ny minisiteran’ny angovo sy ny tale jeneralin’ny Jirama avy ao Antananarivo. Milaza ity didim-panjakana ity, fa tsy azon’ny biraom-panjakana atao ny mizara herinaratra amin’ireo olona na trano na birao manodidina azy, koa tsy niandry mpiasan’ny Jirama tao Soanierana Ivongo intsony ny ben’ny tanana, fa ny tenany mihitsy no nanapaka izany ho valifatiny amin’ny lehiben’ny distrika; izay voalazany fa nitory azy nidirany am-ponja farany teo noho resaka fanodinkodinam-bolan’ny kaominina. Hatramin’izao, dia mbola tsy niverina ity jiron’ny kaominina mamatsy ny ny biraon’ny distrika sy ny tahirim-bolam-panjakana ary ny CENI ao Soanierana Ivongo ity. Tsy mety milefitra ihany koa ny ben’ny tanana noho izy tompon’ny herinaratra sy mandoa izany amin’ny Jirama. Ankoatra izany, dia ben’ny tanana voafidy tamin’ny alàlan’ny fikambanana politika “FIVOY” an’ny minisitry ny tontolo iainana sy ny ala ary ny haivoaary Rtoa Ndahimanajara Johannita izy. Manaramarika izao fa, misy olana eo amin’ny ekipan’ny HVM ao Soanierana Ivongo sy ity fikambanana politika “FIVOY” ity ankehitriny…
Malala Didier