Raikitra ny sakoroka tao amin’ny kaominin’Antanifotsy Soanierana Ivongo, ny alarobia 30 may sy ny alakamisy 31 may teo, raha nipoaka ny sarom-bilany teo amin’ireo mpianatra an-jatony noho ny voalazan’izy ireo fa fitiavam-bola sy kolikoly ary didy jadona ataon’ireto talen’ny lisea sy ny Ceg any an-toerana ireto. Nanomboka tamin’ny 8ora maraina ny hetsika ; izay tsy nitsahatra izy ireo raha tsy tamin’ny 5ora hariva nandrava ireo fitaovan-tsekoly. Raha ho an’ny lisea, dia niainga tamin’ilay “voyage d’études” naka vola 10.000 ariary tamin’ireto mpianatra isany nandehan’izy ireo tao Antananarivo no antony voalohany. Nambaran’ireto mpianatra sy ireo ray aman-drenin’izy ireo sasany, fa nisy ambiny ny vola saingy tsy naverin’ny talen’ny lisea sy ny ekipany izany raha nitaky ny famerenana izany ireto mpianatra. Nambaran’ny talen’ny lisea sy ireo mpampianatra nisahana ny dia natao, dia ny teo am-pelan-tanana aza tsy ampy. Tsy vitan’izay koa fa milaza ireto mpianatra an-jatony ireto fa mpanao didy jadona loatra ihany koa ny talen’ny lisean’izy ireo, ka terena haka kitay sy falafa ho azy ny mpianatra, ka ny fotoana fanaovana fakan-drivotra no hampanaovany izany azy ireo. Tsy nahitam-baliny kosa ireto voatonona mikasika ity tranga ity, izay voalaza ny ray aman-dreny nanontaniana fa mpitranga sy misy amin’ireo sekoly aty ambanivohitra izany; saingy ny tena olana amin’ity raharaha ity, dia ity resaka hoe “mpihavy” ity ihany, satria saika tsy zanak’ Antanifotsy sy Soanierana Ivongo ny mpiasa any an-toerana. Noho ireo tranga ireo sy ny tahotra ny ainy ihany koa dia nitsoaka an’i Soanierana Ivongo tampon-tanana ireo mpampianatra 9 sy ny talen’ny lisea ary ny lefiny ; Efa nidina nandamina ny raharaha tany Antanivotsy koa ny talen’ny Cisco ny Soanierana Ivongo niaraka tamin’ny lehiben’ny distrika sy ireo mpitandro ny filaminana nandamina ny raharaha, saingy miziriziry amin’ny heviny ireto mpianatra an-jatony sy ireo ray aman-drenin’izy ireo sasany. Ny taona 2010 no niorina ny lisea ka ny 2013 izy vao ara-panjakana, misy 417 mpianatra izay sahanin’ireo mpanabe sy mpandraharaha 20 mianadahy. Ankoatra izay, dia norotahan’ireto mpianatra koa ny Ceg any an-toerana, omaly alakamisy 31 may, potika ihany koa ny sekoly, ireo fitaovana tao anatiny, ary ny tranon’ny talen’ny Ceg ao Antanifotsy distrikan’i Soanierana Ivongo. Nasian’ireto mpianatra sorabaventy koa ny tokotanin-tsekoly manao hoe “Miala ny talen’ny sekoly fa efa misy mahasolo ny varavaran-tsekoly sy ireo fitaovana simba”; koa andrasana ny ho tohin’ity raharaha ity…
Malala Didier