Tovolahy tokony ho 30 taona eo, no hita faty nihantona tao an-tranony, tao amin’ny fokontany Antsirandrano Soanierana Ivongo tampon-tanàna, ny marainan’ny 29 oktobra teo. Raha ny fanazavana azo avy tany an-toerana, tamin’ny alàlan’ny mpitandro ny filaminana dia ireo mpiara-monina aminy nahita ny tranony tsy nivoha maraina no gaga, satria tsy fanaon’ity tovolahy 30 taona ity izany. Vokatr’io dia voatery niantso filoham-pokontany izy ireo nijery ny zava-nisy.Voatery novakiana mihitsy ny varavarana ahitana ny tena marina tao anatiny. Olona nihantona tamin’ny tady “plastique” no hitan’ireo fokonolona tao; izay tena nahagaga azy ireo, satria tsy nisy nipika ny tao anatin’ny trano ka avy hatrany dia resaka famonoan-tena no tao an-tsain’ny rehetra. Raha ny fanazavana ihany koa, dia manana olon-tiana ao an-toerana ihany ity tovolahy ity ary matetika miady izy roa, ka haverin’ny mpiara-monina aminy fa io olana ara-pitiavana aminy no anton’izao famonoan-tenany izao. Mpila ravinahitra ao Soanierana Ivongo ity tovolahy maty nananton-tena ity, fa avy any Mandritsara no tena tanindrazany: koa vokatr’ io tsy fananany havana tao Soanierana Ivongo io, dia ireo fokonolona sy mpiara-monina taminy no nikarakara azy, ary niezaka nitady ny fianakaviany tamin’ny alàlan’ny “radio” ny zandary.
Malala Didier