Raha mbola sahiran-tsaina mikaroka ireo faty telo ka isan’izany ilay zaza menavava 15 andro sy ny reniny ary ity rangahy iray, izay navadiky ny lakana tao akaikin’ny kaominina Fotsialanana Soanierana Ivongo, dia tranga hafa indray no niseho tao amin’ny distrika ity ny alahady 25 martsa teo tokony tamin’ny 05ora hariva. Tovolahy iray antsoina hoe Geralson izay 18 taona mponin’ny fokontany Ambodiarana kaominina Ambodimanga izay mpianatry ny lisea tsy miankina iray, no mpilalao baolina hikohizana ihany koa eo anivon’ny FC Taratra, ao Soanierana Ivongo indray no namoy ny ainy noho ny lozam-pifamoivoizana nihatra taminy. Raha ny fanazavana azo dia avy amin’ny fokontany Andavoanio hiazo an’i Soanierana Ivongo izy izao tra-doza izao, raha nifanena tamina kamiao iray teo akaikin’ny kianja filalaovana baolina any an-toerana, satria dia nirafitra mafy tamin’ilay kamiao izy sy ny moto nentiny, izay nandeha mafy raha ny fanazavan’ny mponina nahita ny loza. Vokany maty tsy tra-drano ity tovolahy ity izay vaky mihintsy ny lohany ary simba ihany koa ny moto nentiny. Voatazona eo anivon’ny zandary ao Soanierana Ivongo ilay mpamily ny kamiao mihatrika ny fakana am-bavany azy nanomboka ny alahady nisehoan’ny lozam-pifamoivoizana io. Ankoatra izay raha hiveranana ilay raharaha lakam-by nivadika nahafaty olona 05, dia nahagaga ny fianakavian’ilay rangahy isan’ny maty efa hita izay voalaza fa nikasa hividy entana any Ambositra amin’ny maha-mpivaro-mandeha azy, dia tsy hita popoka tamin’ny fahitana ny fatiny ny vola be 40 tapitrisa ariary tao anatin’ilay sakosy nentiny. Mbola mitohy hatramin’izao ny fitadiavana ny fatin’ireo olona 03 mbola tsy hita tamin’ity raharaha lakam-by nivadika ity.
Malala Didier