- Publicité -
jeudi, mai 15, 2025
AccueilFaits-DiversSoanierana Ivongo : Tratra niaraka tamin’ny basy “pa” i Stephan sy i...

Soanierana Ivongo : Tratra niaraka tamin’ny basy “pa” i Stephan sy i Gaston…

Tao anatin’ny taom-piotazana jirofo tao amin’ny distrikan’i Soanierana Ivongo faritra Analanjirofo, dia nanjaka ireo andian-jiolahy mitam-piadiana manafika ireo mpanangom-bokatra sy ireo mpandraharaha. Efa am-bolana maro no nanaovan’ny polisy notarihin’ny Kaomisera Tsima Felix Angelot fikarohana ireo andian-jiolahy mpanao izany; ny alarobia 30 martsa teo nisy ny vokatra azon’izy ireo. Saron’ny polisy tao Soanierana Ivongo raha ela nitoratorahana ireto andian-jiolahy mirahalahy mitam-piadiana, isan’ireo tsy mampandry fahalemana ireo mpandraharaha sy mpanangom-bokatra tany an-toerana.  Rakotomamonjy Lalaina Stephan 35 taona ny iray izay mponina ao Anosipatrana Antananarivo, saingy tonga manao asan-jiolahy mitam-piadiana tany Soanierana Ivongo; teo koa ny namany Fabien Gaston 29 taona avy ao Maromitety Vavatenina ary efa mpinamana hatramin’izay izy mirahalahy. Tratra niaraka tamin’izy ireo ihany koa ny basy PA marika “Makarov” iray. Raha ny fanazavan’ny “officier” Tsima Felix Angelot kaomisera ao Soanierana Ivongo, dia teo am-panomanana fanafihana mpandraharaha iray amin’ny resaka fanangonanana vokatra fanondrana izy ireo no nanaovan’izy ireo vela-pandrika. Olona tsara sitra-po nanome ny vaovao azy ireo no nahalalan’ny polisy fa nisy telo mirahalahy sy niaraka tamin’ny basy “makarov” roa izy ireo tamin’izao fanomanana fanafihana mpandraharaha izao. Nandritra ny fisamborana azy ireo anefa dia tafaporitsaka ny iray niaraka tamin’ny basy “Makarov” teny aminy na efa nifanenjehana aza. Ankoatra izany, dia anio alatsinainy no hiatrika fitsarana ny raharaha famonoana ilay zandary GP2 tao Soanierana Ivongo, ny alatsinain’ny paska teo, raha ny zandary tao Fenoarivo Atsinanana no nisahana ny fanadihadiana ny raharaha. Ireo roa lahy mpanao fanafihana mitam-piadiana tratra niaraka tamin’ny basy PA, ny alarobia teo kosa raha  niakatra fitsarana ny sabotsy teo, dia miandry fitsarana am-ponja…

Malala Didier

- Publicité -
Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici