- Publicité -
mercredi, juillet 2, 2025
AccueilFaits-DiversSoanierana Ivongo : Vehivavy “marary saina”, 12 taona nogiazana tamin’ny hazo ny...

Soanierana Ivongo : Vehivavy “marary saina”, 12 taona nogiazana tamin’ny hazo ny tànany

ADALAAmin’izao taon-jato iainantsika izao, dia mbola misy olona lazaina  fa marary saina giazana amin’ny hazo ny tànany. Ramatoa izay ambaran’ny olona fa marary saina namono ny zanany no tratran’izany ao amin’ny distrikan’i Soanierena Ivongo, izay efa 12 taona izao no namatorana ny tànany amin’ny hazo.

Hany ka na ny fidiovana amin’ny maha-vehivavy, sy ny miaina amin’ny maha-olona aza tsy vitan’ity ramatoa ambara fa marary saina ity atao nandritra izay amin’ny tanany mifatotra hazo. Nambaran’ireo mponina any an-toerana, fa ny tsy fisian’ny hopitaly natokana ho an’ireo marary saina no nahatonga ny tomponandraikitra tany an-toerana nandray izao fanapahan-kevitra izao. Ireo tomponandraikitra kosa raha nanontaniana mikasika izany, dia ny hisorohana ny mety ho famonoana olona ataon’ity ramatoa marary saina ity no nahatonga azy ireo nandray andraikitra tamin’ny famatorana ny tànany amin’ny hazo tahaka izao; ka na ben’ny tanana, na lehiben’ny distrika dia samy mijery fotsiny manaiky ny zava-misy tsy misy sahy mandray ny andraikiny. Ny tena mahagaga amin’ity raharaha ity, dia tsy misy ireo fikambanana milaza ho mpiaro ny zon’olombelona sy ny zon’ny vehivavy sahy miaro sy mba hitsabo ity ramatoa ambara fa marary saina fatorana amin’ny hazo efa 12 taona izao ity ny tànany.

Ankoatra izay aloha, dia manampy ity ramatoa ity amin’ny sakafo ireo mahatsapa ny fahoriany, satria na hitady ny hanina sy rano hosotroiny aza tsy vitan’ity ramatoa ity amin’izao mahazo azy izao.

Malala Didier

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici