Ny alatsinain’ny paska kosa tao Soanierana Ivongo araka ny vaovao marim-pototra voaray avy any an-toerana, dia zandary GP2 nitsangantsangana niaraka tamin’ny fianakaviana tao Menatany no maty voatsindrona antsy teo amin’ny fony, raha nanasaraka tovolahy niady. Tezitra tamin’ny fanasarahana azy ny iray ka avy hatrany dia ilay zandary GP2 nanasaraka indray no nilerany antsy. Avy hatrany dia nosamborin’ny olona ilay tovolahy, ary saika matin’ny fitsaram-bahoaka raha tsy tonga haingana ny mpitandro ny filaminana. Mbola nanara-dia teo anivon’ny borigadin’ny zandary tany an-toerana ireo olona maro be nangataka ny hanaovana fitsaram-bahoaka ilay tovolahy, saingy nilamina ihany ny raharaha.
Malala Didier