- Publicité -
jeudi, novembre 20, 2025
- Publicité -
AccueilFaits-DiversSoanierana : Lehilahy lehibe nanendaka volamena, niakatra fitsarana

Soanierana : Lehilahy lehibe nanendaka volamena, niakatra fitsarana

Lehilahy lehibe azo lazaina ho manana ny maha izy azy no nisintona rojo volamena teny an-tedan’ny tovolahy iray, ny volana oktobra teo. Rehefa nanontanian’ny fitsarana mikasika ny heloka hiampangana azy ity lehilahy lehibe ity dia nilaza, fa raha ny taonany mihoatra ny taonan’ny mpitory no jerena, dia tsy mitombina ny filazana fa naka ny rojo volamena teny an-tendanan-drazazalahy ny tenany. Rehefa nojerena ny antontan-taratasy milaza ny momba azy ireo dia hita fa dia tokony ho 70 taona eo noho eo ny voampanga, ary 30 taona kosa ny mpitory.  Nambaran’ny voampanga ihany koa nandritra ny fitsarana azy fa, tetika maty paika efa voahomana mialoha izao fiampangana azy izao. « Efa an-taonany maro no nisian’ny disadisa teo aminay, ary izy sy ny rainy no namono ahy tamin’io fotoana voatondro io», hoy izy. Rehefa nanontaniana anefa ny mpitory, dia nanamafy fa io lehilahy lehibe io mihitsy no nisintona ny rojo volamena teny an-tendany. « Mialokaloka amin’ny maha olon-dehibe azy foana izy rehefa toriana », hoy izy. Nanamarina ny disadisa misy eo amin’ny roa tonta ihany koa ny mpitory, saingy milaza fa ny andaniny no efa mpihetraketraka sy mpiherisetra aminy. Miezaka ny mandefitra ihany ny tenany, raha ny filazany, amin’ny maha mpiara-monina azy ireo kanefa  tamin’ity indray mitoraka ity efa sangy mihoatra ny loha no nataon’ity lehilahy lehibe ity. Fanindroany izao  fitoriana mihatra aminy izao. Mangataka ny hanonerana ny rojo volamena very ny niharan’ny halatra. Marihina fa milanja 10g ilay rojo very. Ny alarobia ho avy izao no handrenesana ny valin’ny fitsarana.

Narindra (Stagiaire)

- Publicité -
- Publicité -
- Publicité -
Suivez nous
419,278FansJ'aime
14,461SuiveursSuivre
5,417SuiveursSuivre
1,920AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici