- Publicité SW45 -
vendredi, décembre 27, 2024
- Publicité -
AccueilFaits-DiversSoanierana : Mpaka sary an-gazety naratra voadaroka

Soanierana : Mpaka sary an-gazety naratra voadaroka

Naratra ary tena voa mafy mihitsy. Telo lahy no indray nitambatra nidaroka azy raha izy nody avy nanao ny asa an-gazety toy ny isan’andro. Manodidina ny tamin’ny valo ora alina no nandalo teo amin’ny làlana hodiany ity mpaka sary an-gazety no nisy telo lahy nibahan-dàlana. Tsy niteny akory izy fa ny “klaxon” an’ny kodiaran-droa nentiny no nampanenoiny. Izay fotsiny ihany dia efa tamy ireo telo lahy ary nidaroka tsy an-kijanona. Naratra mafy teo amin’ny lohany ary rovitra tanteraka ny fitafiny. Fanina tanteraka ilay voadaroka satria mbola natsipy tao anaty tatatra koa rehefa lavo tamin’ny tany. Vita izay dia rifatra nitsoaka ire olon-dratsy izay tsy fantatra izay tena tanjony na fifofoana aina na koa nitady hanendaka. Nametraka fitoriana avy hatrany ny naratra ary handrasana ny fivoaran’ny fanadihadian’ny mpitandro ny filaminana. Nilaza rahateo ny mpitory fa efa hita ny tranon’ny mpanao ratsy ary dia mety tsy ho ela ny fisamborana. Paraky Soanierana dia isan’ny tena faritra mena, indrindra ho an’ireo mpody alina izay matetika noho ny asa. Efa nisy koa ny mpiasa an-gazety izay voaambana basy  teo an-toerana raha hamonjy fodiana. Nisy ihany ny fidinana an-tsehatry ny mpitandro ny filaminana misaron-tava ary avy hatrany dia manidy ny toeram-pisotroana sy toeram-pilokàna toa “baby foot” izay mahazo vahana. Andro vitsivitsy aorian’izay anefa dia efa miverina amin’ny laoniny ny rehetra raha ny momba ny asaratsy. Miferin’aina tanteraka ny olona mody alina. Ny mba hany azo hatao dia ny manisy olon-kafa mitsena eny amin’ny arabe ary mba mitondra kibay kely na fitaovana hiarovan-tena. Ireo farany koa anefa dia efa miady aman’aina tanteraka kanefa tsy maintsy mivoaka ny trano mba ho fiarovana ny fianakaviana. Anaty horohoro toa izany hatrany ny an’ny mponina eny an-toerana satria ny antoandro dia manjaka ny tontakely ary ny alina dia jiolahy.

D.R

- Publicité -
- Publicité -
Suivez nous
401,973FansJ'aime
9,563SuiveursSuivre
1,463AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici