Tovolahy iray, mpianatra, vao erotrerony tokoa no nadoboka avy hatrany eny amin’ny fonjaben’i Tsiafahy, ny alarobia lasa teo, noho ny resaka vono olona nitranga teny Soanierana, ny voalohan’ny volana teo.
Araka ny fampitam-baovao azo avy tamin’ny pôlisim-pirenena, dia ny alatsinainy teo ity tovolahy ity no nosamborina teny amin’iny faritra Soanierana iny, rehefa natoron’ireo namany. Ity tovolahy ity, izay voalazan’ireo farany, fa tompon’antoka tanteraka tamina fanindronana antsy olona tao anaty toerana fisotroana iray teny amin’iny faritra iny hatrany. Telo no naratra vokatr’izay, saingy ny iray tamin’izy ireo no namoy ny ainy avy hatrany. Raha tsiahivina tokoa ny zava-niseho, dia nitrangana korontana tao amin’ity trano fisotroana iray ity ; izay mbola tsy fantatra hatreto ny antony. Rehefa raikitra ny fifamaliana tamin’ireo samy mpisotro, tonga hatrany amin’ny fikasihan-tànana sy fandraisana zava-maranitra izany. Zava-maranitra, izay tsy nisalasalan’ilay tovolahy ny nampiasa azy tamin’ireto olona telo ireto. Ny ampitson’io no tonga teny am-pototsofin’ny pôlisy izany trangana vono olona izany ary nandray ny andraikiny avy hatrany ny pôlisy misahana ny ady heloka bevava sakelika voalohany, etsy Anosy. Nisy avy hatrany ny fanadihadiana natao hikarohana ilay nahavanon-doza. Olona dimy tany am-boalohany no nofotorana ka ireto farany no nanondro avy hatrany ity tovolahy mpianatra ity. Niafara tamin’ny fisamborana azy moa izany ary io izy nampidirina am-ponja vonjimaika io, miandry ny fotoam-pitsarana azy.
m.L