Tsy kely lalana ny ratsy. Milaza ho mahavita izay rehetra tadiavin’ny olona matetika. Tamin’ity indray mitoraka ity dia fanaovana visa indray no nisolokian’ny olona. Voasambotry ny pôlisin’ny « Service Central des Enquêtes Spécialisées » etsy Anosy ny alin’ny alarobia teo, teny Soanierana I Tovo, 36 taona, noho izany antony izany. Nazavain’ny pôlisy fa mpisoloky amin’ny fanaovana Visa eny amin’ny “consulat de France” etsy Ambatomena ity lehilahy ity.
Nahazo loharanom-baovao ny pôlisy fa misy andian’olona maromaro miandry ireo olona tsy nahazo visa anoloan’ny consulat. Ireny no tena ataon’izy ireo lasibatra. “Alain’izy ireo ny Pasipaoro n’ilay olona mangataka VISA, miaraka amin’ny sary tapaka roa ary vola mitentina 800.000Ar farafahakeliny. Manome toky an’ireo olona solokiany izy ireo fa afaka telo andro dia ho azo ny Pasipaoro miaraka amin’ny Visa” hoy ny pôlisy manazava. Notohizany fa ny fomba fandoavana ny vola dia manome « avance » ary alefa « Airtel Money, na Orange Money » ny ambiny. Io fotoana io no farany ifankahitan’ny roa tonta. Rehefa natao ny fanadihadiana sy fakana am-bavany ireo olona voasoloky dia natao ny fisamborana an’i Tovo izay lehiben’ireto mpisoloky. Efa matetika nisazy teny Antanimora izy io. Niaiky ny heloka nataony izy ary nilaza fa efa maro no tratrany tamin’ny asaratsy toa izao, hoy ny pôlisy. Alefany Paositra amin’ny anarana sy adiresin’ilay tompon’ny pasipaoro nosolokiany ireo taratasy noraisiny. Ho an’izay isan’ny voaosoloky dia manentana ny pôlisy, mba hanatona avy hatrany eny amin’ny Service Central des Enquêtes Spécialisées etsy Anosy hanamora ny fisamborana ireo naman’ i Tovo ireo.
D.R