
Polisy mirongo basy sy manao saron-tava no nanatontosa ny fisamborana. Nitangorona ny olona ary talanjona tamin’ny zava-nitranga. Teo amin’ny tobin-dasantsy iray teo akaikin’ny gara etsy Soanierana no nitrangan’izany omaly maraina. Nijanona ny fiara tsymataho-dàlana niloko maitso, nitondra ireo polisy misahana ny hery vonjy taitra, mitondra kalachnikov sy miafina tarehy. Nisy iray izay nanao fanamiana sivily koa ary nitondra poleta. Tsy afa-nihetsika intsony ilay fiara Toareag miloko mainty ary tsy nikasa ny hitsoaka rahateo. Teo dia nambanana basy ary nasaina nivoaka ny olona tao anatiny. Olona efatra ka raha ny fantatra dia mpiambina manokana na « garde du corps » ny roatamin’ireo. Teo ihany dia efa nosavaina ny fiara ary nojerena hatrany anaty fitoeran’entana avy aoriana. Nentina avy hatrany tao amin’ny biraon’ny polisy etsy Anosy ary notazomina ao amin’ny violon ao amin’ny brigade criminelle ireo olona. Hatramin’ny nanoratana dia tsy fantatra mazava ny momba azy ireo ary ny polisy rahateo dia tsy mbola nanome vaovao, satria na ny fanadihadiana aza, hoy izy ireo dia mbola tsy nosokafana. Na izany aza dia nisy ny tsilian-tsofina heno fa raharaha kirakirain’nypolisy mpiambina ny sisin-tany no nampanao ny fisamborana ary ireo polisin’ny UIR dia nanampy fotsiny ihany tamin’ny fanatontosàna izany. Koa satria mbola tsy nisy ny vaovao ofisialy dia nandeha avokoa ny feo rehetra. Isan’ny heno ny hoe mpanao trafikam-basy ireo olona voasambotra. Mety ho azo eritreretina koa anefa ny fahamarinan’izay, ary azon’ny sampan-draharaha voatonona etsy ambony atao ny fanadihadiana raha toa ka olona mivezivezy any ivelany no mampiditra ireo fitaovam-piadiana. Andrasana ny vaovao ofisialy.
D.R