- Publicité -
mercredi, juillet 9, 2025
AccueilFaits-DiversSoarano-Antanimena : Vehivavy iray sy mpianatra roa tratra nifoka rongony

Soarano-Antanimena : Vehivavy iray sy mpianatra roa tratra nifoka rongony

Vehivavy iray sy mpianatra roa no tratran’ny polisy teo ampifohana rongony ny talata valo martsa teo. Ilay vehivavy sarona teo Soarano ny 8 martsa tamin’ny 10 ora sy sasany. Rehefa nanontaniana izy dia fantatra fa monina eny Behoririka. Eny ihany no fividianany io zava-mahadomelina io. Rehefa nandeha teny an-toerana ny polisy dia tratra ny lehilahy iray mpivarotra rongony ary nisy fonosana 11 tany aminy. Tsy nihonona tamin’izany ireto mpitandro filaminana fa nanohy ny fisafoana nataony saika menarana ny sakelin-dàlana rehetra. Tamin’izany no nahatrarana tovolahy kely roa mbola mpianatra nifoka rongony tao amina trano rava. Nisy lehilahy iray koa tao amin’io trano io izay voalaza fa mpamatsy rongony ary nahitana fonosana valo tany aminy. Ankoatra izany, nisy vehivavy iray niaraka tamin’io lehilahy io. Eny Antohomadinika no mpamatsy ireo mpivarotra ireo.

r.s.

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici