- Publicité -
samedi, mai 10, 2025
AccueilFaits-DiversSoarano : Fiara iray nirehitra tanaty fitohanana

Soarano : Fiara iray nirehitra tanaty fitohanana

Hataraina ny an’ireo olona teny amin’ny faritra Petite Vitesse, omaly hariva. Fiara iray, karazan’irony mini-bus irony, marika sinoa no nidona-tsetroka raha tao anaty fitohanana. Tokony ho tamin’ny 4 ora hariva teo no niseho ity loza ity. Isan’ny faritra be olona mifamezivezy iny faritr’i Soarano sy Petite Vitesse iny. Tampoka teo anefa, nisahotaka avokoa ireo mpiantsena sy mpivarotra teny an-toerana. Fiara iray mini-bus vita sinoa no nidona-tsetroka, raha tao anatin’ny fitohanana. Fotoana fohy monja taorian’izay dia efa niredareda ny afo. Soa ihany fa nalaky nivoaka haingana tao anatin’ny fiara ilay mpamily. Tsy nitazam-potsiny ihany koa ireo olona manodidina, fa niezaka namonjy ity fiara ity. Tonga teny an-toerana ireo mpamonjy voina sy mpitandro filaminana nanampy tamin’ny famonoana ny afo. Voafehy ihany izany, minitra vitsy taorin’ny nitrangan’ny fahamaizana. Tsy nisy olona naratra na aina nafoy, avotra soa aman-tsara ihany koa ilay fiara sy ny entana nentiny. Hatreto dia tsy fantatra mazava izay antony nahatonga ny loza. Siosion-dresaky ny olona teny an-toerana ny hoe, mety « court-circuit » ka naharay fitoeran-dasantsy. Tato anatin’iny volana lasa iny, dia nisesisesy ireo fiara may teny an-dàlana. Saika pitik’afo nahazo lasantsy avokoa no nahatonga ny loza. Izany rehetra izany, dia noho ny tsy fanaraha-penitry ny fametahana ireo tariby miasa ao anaty fiara. Ary angamba noho ny tandrevaka any amin’ny fitsaràna fiara ihany koa …

m.L

- Publicité -
Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser