- Publicité -
lundi, juillet 7, 2025
AccueilFaits-DiversSoarano : Kolonely… voaendaka

Soarano : Kolonely… voaendaka

Amin’ny andro antoandro no nitrangan’ilay asan-jiolahy. Avy naka vola tao amin’ny banky ilay manamboninahitra ary niantsena niaraka tamin’ny zafikeliny teo Analakely. Rehefa vita izany rehetra izany, omaly tokony ho tamin’ny telo ora tolakandro, dia lasa izy mianaka nilahatra fiara fitaterana teo Soarano,  teo ampitan’ny Tana Plaza. Teo amin’izay no nitranga ny herisetra. Ireo zazakely mivondrombondrona no avy hatrany dia nisintona ny harona feno entana vao avy niantsenana teny an-tanany. Raha somokotra saika hanenjika an’iny izy dia efa nisy lehilahy iray maronjana be indray nijoro teo akaikiny ary nanambana antsy azy. Tsy nisy azo natao intsony ankoatra ny nanaiky izay notenenin’ireo olon-dratsy. Lasa ny fitoeram-bola izay nisy teo amin’ny 4 tapitrisa ariary, lasa ihany koa ny finday. Tao anatin’ny segondra vitsy monja no nitrangan’izany rehetra izany. Tao anatin’ny fivezivezen’ny olona maro teo Soarano mihitsy izany, saingy tsy nisy sahy na dia iray monja aza, niditra an-tsehatra izay nahita. Nanamora ny fitsoahan’ireo olon-dratsy izany toe-javatra izany. Nisy ihany ny nahafantampantatra ny endrik’ireo andin’olona nanatontosa ity fanendahana ity ary heno teo an-toerana izany hoe “Feno kely” izany. Manao andiany ireo mpanendaka eo Analakely ary isan’ny tena mandray anjara sy ampiasaina amin’izany ireo zazakely tsy ampy taona. Manampy azy ireo rehefa avy eo ireo lehibe, izay sady manofana no miaro ao anatin’ny raharaha. Fanendahana amin’ny andro antoandro : mila fiheverenana…

D.R

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici