- Publicité -
vendredi, mai 9, 2025
AccueilFaits-DiversSoarano : Manipy silipy anaty fiara dia maka vola

Soarano : Manipy silipy anaty fiara dia maka vola

Mivoatra isan’andro ny fomba fanaon’ireo andian-jiolahy eto an-drenivohitra. Mbola mitohy hatrany ny fanafihana anaty fiara saingy miova kely indray ny endrika fisehoany. Mody misy vehivavy manipy silipo ao anatin’ny fiara, izay tratry ny fitohanan’ny fifamoivoizana. Mihoraka be ilay vehivavy avy eo ary milaza fa naolan’ilay mpamily ka entiny hanaporofona an’izany ilay silipo hita anaty fiara. Tsy ela dia voahodidina lehilahy ilay fiara satria tetika efa maty paika ilay izy. Dia mandeha amin’izay ny fanendahana isan-karazany sy ny daroka mahazo ny mpamily. Tetsy Soarano no nitrangan’izany asan-jiolahy izany ary tao anatin’ny fitohanana tanteraka. Tsy nisy namonjy ny olona fa dia samy nijerijery fotsiny teo noho ny tahotra. Izany hoe mety ho efa olom-patatra ihany no manao ny fanendahana, saingy tsy misy sahy ny mitory sao iharan’ny valifaty. Ilaina hatrany, raha jerena amin’ity endrika fanendahana ity, ny manidy fiara sy fitaratra. Aleo miaritra hafanana indray izany toa izay iharan’ny fananararaotana.

D.R

- Publicité -
Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser