Niainga tamin’ny firesahan’ny olona nitaingina fiara tsy mataho-dàlana tamin’ny mpividy volamena tetsy Soarano, ny raharaha. Nilaza ny tao anaty fiara fa manana volamena iray kilao ary entiny miverina eo rehefa vonona ny volan’ny mpividy. Taitra io farany raha nandre an’izany “afera be” izany ary nanao izay ho afany ny namondrona ny vola tao anatin’ny fotoana nifanomezana. Tonga tokoa ny fiara tsara tarehy ary nandalo teo amin’ilay toerana tokony hifanakalozana. Rehefa izany ary dia nasaina niditra tao anaty fiara ny mpividy. Vantany vao tafiditra tao io farany izay heverina fa tsy nahalala na inona na inona akory ankoatry ny aferam-bolamena izay efa nangirana tsara, avy hatrany dia novelomina ny fiara ary tsy navela nivoaka tao intsony. Ny hariva izy no navela teny amin’ny manodidina an’Ankorondrano ary naratra be. Nanjavona tao anatin’izany ny volabe izay raha ny fantatra dia mihoatra ny 50 tapitrisa ariary. Nisy avy hatrany ny fanadihadiana nisokatra momba ity raharaha ity, raha araka ny loharanom-baovao akaiky ny mpitandro ny filaminana. Manaporofo ny tranga toa izao, fa misy volabe mihodina eo Analakely, andro aman’alina. Manarak’izany, manintona tanteraka ny olon-dratsy ity bizna volamena etsy sy eroa eo an-toerana ity. Mandrisika ny olona hanao ny asa fanendahana izany, satria lasa vola eo no ho eo ihany ny volamena. Tsy mandeha lavitra akory dia efa feno ny mpividy. Tsy vitan’izany fa rehefa miakatra ambonimbony toa izao ny lentan’ny varotra, izany hoe rehefa misy volabe mihodina, dia tonga hatramin’ny fakàna an-keriny toa izay nitranga afak’omaly. Efa ela no norarana ny fivarotana volamena eo Analakely ary efa betsaka ny nidoboka am-ponja tamin’izany, saingy tsy nahasakana azy ireo tsy hiverina eo an-toerana indray izany, manao ny asany andavan’andro…
D.R