- Publicité -
mercredi, juillet 9, 2025
AccueilFaits-DiversSoarano : Mpifankatia maorisiana voaroban’ny jiolahy

Soarano : Mpifankatia maorisiana voaroban’ny jiolahy

Amin’ny andro antoandrobe nanahary no nitranga ny asan-jiolahy omaly tetsy Soarano. Amin’ny iray ora latsaka fahefany, raha mba nandeha an-tongotra toy ny mpizaha tany sasany teny Analakely izy roa ka saika hihazo ny café de la gare, no nataon’ny mpanendaka lasibatra. Tao anatin’ny indray mipi-maso dia nanjavona ny firavaka volamena sy ny lelavola 1.5 tapitrisa ariary teny amin’izy roa. Tohina tanteraka ireo mpizaha tany nanoloana ny nanjo azy ireo. Nisy olona, izay raha araka ny fitantaran’ny manodidina dia mpitandro ny filaminana nanao fanamiana sivily, nahita ny zava-nitranga ary nanao ny fanenjehana tany amin’ny tsenan’ny “petite vitesse” tany. Teo dia nisy feo roa nandeha. Ny voalohany dia ny hoe tsy nahatratra intsony ny mpanao ratsy ilay olona. Ny faharoa indray dia hoe azony ihany ilay mpanendaka saingy nalainy ny entana teny amin’izy ireo dia iny izy no tsy hita. Koa satria nanao fanamiana sivily ny tenany dia tsy fantatra loatra na tena mpitandro ny filaminana na tsia. Tsy nijanona teo ny raharaha fa niitatra satria mbola nisy nanatona indray ireo mpifankatia maorisiana izay tsy nahita izay tokony natao intsony ary nilaza ireo olona fa mahita ny misy ireo mpangalatra sy ny entana nalainy, saingy mila vola takalony vao hanao izany. Kivy tanteraka ireo mpizaha tany ary ny hany heriny dia niala teo an-toerana ary nanadino ny very. Teo ihany ny fanendahana izay tsy azo ihodivirana any amin’ny renivohitra rehetra eto ambonin’ny tany, saingy ilay fihetsika mbola nanararaotra ny efa voa ihany dia manaratsy endrika avy hatrany an’Antananarivo. Mazava ho azy fa ny mby ao an-tsain’ireo Maorisiana izany dia tsy hifanalavitra mihitsy amin’ny hoe : mpangalatra daholo izany na mpiray tsikombakomba amin’ny mpangalatra izay olona rehetra mifanerasera aminy eo Analakely. Hampitainy amin’ny namany sy ny olom-patany izany ary dia ho lasa endrika ratsy ho an’ny fizahan-tany eto Dago, indrindra eto an-drenivohitra.

D.R

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici