- Publicité SW45 -
jeudi, janvier 23, 2025
AccueilFaits-DiversSoarano : Roalahy tratra nangarona paosina polisy

Soarano : Roalahy tratra nangarona paosina polisy

Tena mirongatra ny harom-paosy eny amin’ny faritra Analakely sy Soarano iny, amin’izao maha maro mpiantsena izao. Ny talata lasa teo, tanora roalahy tena mbola kely taona tokoa no tratra nangarona paosina polisy manao fanamiana olon-tsotra teny Soarano amin’ilay toerana be mpandeha iny. Marihana fa miasa amin’iny faritra iny ireo mpitandro filaminana ireo. Sendra ny tsy nampoiziny izy roalahy ireo ka ireo natao hisambotra azy indray no naroniny paosy. Avy hatrany dia voasambotra ireo tanora roa ireo ary tsy afaka nihetsika. Tezitra vokatr’izany koa ireo mpitandro filaminana ka tonga dia nisy ny namaly ary avy eo nentina tany amin’ny paositry ny polisy. Fa mbola tamin’iny faritra iny ihany, lehilahy iray nitrotro ny zanany no very ireny antsoina hoe “sac banane” ireny. Mitakosona ny mpiantsena ary nilaza izy fa tsy henony mihitsy ny nangalan’ireo mpangalatra ny zavany. Efa lasa lavidavitra vao tonga saina. Very tamin’iznay ny vola, ny chèque ary zavatra hafa. Santionany ihany ireo tanterina eto irao. Maro dia maro ny olona velon-taraina amin’ity resaka harom-paosy ity amin’izao andro fety izao. Tsy lehilahy ihany no manao izany fa mirotsaka ihany koa ny vehivavy.

r.s.

- Publicité -
- Publicité Google Ads -
Suivez nous
401,973FansJ'aime
9,563SuiveursSuivre
1,463AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser