Nahavoa voamason’angatra rehefa ela nitoratorahana. Izay no azo ilazàna ny nanjo ireo mpanendaka anaty fitohanana roalahy. Teo Soarano, manodidina ny tamin’ny dimy ora hariva, ny talata lasa teo, no saika hampidina amin-kery ny fitaratr’ilay fiara tsy mataho-dàlana. Diso paika tanteraka ireo olon-dratsy. Raha matetika mantsy ny olona no mainka koa mijanona ao anaty fiarany ary mandefitra mba ho fiarovana ny ainy sao misy basy tampoka ny olon-dratsy, tamin’ity indray mitoraka ity kosa dia hafa tanteraka ny sary : lehilahy ranjanana sady bokona miisa telo no nivoaka teo. Nivadika tanteraka, araka izay efa voalaza, ny rasa ka ireo jiolahy indray no nanavotra ny ainy. Saingy tsy afa-maina satria voasambotra ary voadaroka. Naratra avokoa ary samy nahazo ny sahaza azy. Nalain’ny mpitandro ny filaminana izy ireo nony avy eo.
D.R