- Publicité SW45 -
dimanche, mai 19, 2024
- Publicité -
AccueilFaits-DiversSoavimasoandro : Baomba hita tao amban’ny akalana mpivarotra anana

Soavimasoandro : Baomba hita tao amban’ny akalana mpivarotra anana

BOMBA-(2)Tsy maintsy nampoaka ilay baomba ary dia nirefotra tokoa

Ny alakamisy 27 febroary teo tokony tamin’ny enina ora maraina no nahitan-dRamatoa Paulette teo akaikin’ny fivarotany legioma izany. Efa mahazatra ity ramatoa mpivarotra ity ny maka ny entany vao maraina any Anosibe rehefa amin’ ny dimy ora maraina iny, avy eo moa izy dia miverina ary mamelatra ireo akalana hivarotany. Tsy nahatsikaritra na inona na inona anefa izy tamin’izany fa teo amin’ilay nametrahany ny  kesika hanamboarana latabatra no taitra ity ramatoa nahita ity baoritra misy zavatra hafahafa sy ahitana fil miolakolana, avy hatrany dia niantso ny zanany tao an-trano ity farany ka ireo zanany ireo no nampandre ny sefo fokontany tao an-tanàna. Tsy niandry ela ny teo an-toerana raha vao nahita ny fandehan-javatra ka dia nampandre ny polisy.

Vao naheno moa ny mpitandro ny filaminana dia nirodorodo niara-nidina nankeny nijery ny zava-misy. Tena voaporofo fa baomba tokoa ilay izy ary itony vita tanana itony, baomba tsy nasiany fonony moa izy ity fa tao anaty baoritra kely ka tonga dia manaitra ny mason’ny mpandalo avy hatrany, sady amoron-dalàna rahateo. Tonga teny an-toerana koa moa ny mpitsirika manokana momba ny baomba koa dia niroso tamin’ny fanapoahana. Niara-nisalahy tamin’izany ny tao amin’ny polisim-prenena sy ny Zandarimariam-pirenena, somary mafimafy ihany ny feo re teny an-toerana ary efa napetraka mialoha moa ny sakana izay mametra miala dimampolo metatra ho tsy azo ivezivezen’ny olona nandritra ny famotehana ilay baomba. Rehefa avy nipaoka ilay izy dia hita ho nisy taratasy nisy sora-tanana, izay toa manompa, fa efa rovitra tao anaty fipoahana moa ilay izy ka tsy hay vakiana intsony ny teny. Raha ny resaky ny mponina manodidina moa dia vao maraina, teo anelanelan’ny tamin’ny dimy sy tamin’ny enina, no nametrahan’olon-tsy fantatra izany. Nisy tamin’ireo mpiray vodirindrina ary moa no niteny fa tsy fombantsika malagasy ny toe-javatra tahaka izao, fa raha hevitra tsy mitovy ara-politika no hanaovana sangy ratsy ohatra an’izao dia aleo resaka ambony latabatra ihany no handravonana azy, fa tsy sanatria asa fampihorohoroana tahaka izao. Raha ny fijery azy aloha dia toa mitovitovy amin’ilay hita teny amin’ny Sainte Famille Mahamasina ihany ity hita farany teny Isoavimasoandro ity.

ALEM

- Publicité -
Suivez nous
276,361FansJ'aime
4,243SuiveursSuivre
611AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser