- Publicité -
vendredi, juillet 11, 2025
AccueilFaits-DiversSoavimasoandro : Efa nahazo fitsaboana sy salama ilay ankizy « voakapoka »

Soavimasoandro : Efa nahazo fitsaboana sy salama ilay ankizy « voakapoka »

Ny andron’ny alatsinainy iny dia efa voaray an-tanan’ireo tompon’andraikitra isanisany ilay zazalahy « voakapok’ny rainy mafy dia mafy » tetsy Soavimasoandro. Marihana fa naratra ity ankizy taorian’ny tranga nahazo ary efa nentina nihazo toeram-pitsaboana. « Efa tsy misy atahorana ny ainy. Efa salama izy ary efa voaaro ihany koa », araka ny nambaran’ny teo anivon’ny pôlisim-pirenena anisan’ireo nandray andraikitra tamin’izany. Raha ny mahakasika ilay rainy kosa dia mbola tsy nahenom-baovao hatreto. Ny hany fantatra dia ao anatin’ny fanadihadiana mahakasika ity tranga iny ny teo anivon’ny pôlisim-pirenena. Ireto farany moa, izay raha ny fanazavàna azo hatrany dia nisafidy ny mbola tsy hiteny na hanisy fanazavàna « ofisialy » mahakasika iny zava-niseho tetsy Soavimasoandro afak’omaly iny. « Marobe ireo fanehoan-kevitra sy vaovao miparitaka isan-karazany, saingy tsy mbola misy avy aty aminay mpanao fanadihadiana izany. Aleo ho vita an-tsakany sy andavany avokoa ireo famotorana sy fanadihadiana rehetra atao dia tsy maintsy ho hampahafantarina ny rehetra ihany izany avy eo » hoy hatrany ny eo anivon’ny pôlisim-pirenena. Tsiahivina fa niteraka fizarazaran-kevitra maro teo amin’ny tsirairay iny toe-java-nisy tetsy Soavimasoandro iny. Indrindra moa fa ny mahakasika ny fomba tokony hitaizan’ireo ray aman-dreny ny zanany amin’izao vaninandro hiainantsika izao. Amin’izao tokoa mantsy, lasa ireo mpiantsehatra anaty Facebook, (tambazotra sosialy malaza loatra eto amintsika) no miditra lalina sy mitsara ny fiainan’ny tsirairay. Mampitombo laza olona iray na manapotika tanteraka ny fiainan’izany olona izany sy izay manodidina azy rehetra.

m.L

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici