Ny eo tsy milamina, ny hafa mipoitra ihany. Asa tokoa raha tokony mba hisy ezaka ataon’ny Fanjakàna amin’izao zava-miseho izao. Nisehoana fakàna an-keriny karàna indray mantsy tetsy Soavimasoandro omaly antoandro.
Jiolahy enin-dahy nitondra kalaky sy basy poleta no naka an’ity tovolahy kely vao 20 taona monja, teratany karàna ity, raha ny fanazavana azo avy amin’ireo mpitandro filaminana. Antoandro be nanahary, tokony ho tamin’ny 12 ora tany ho any, no niseho ity fangalàna an-keriny ity, raha ny fantatra teny an-toerana. Nalalaka tanteraka tsy nisy mpanelingelina ireto olon-dratsy, raha nampiditra amboletra ity tovolahy ity tao anatin’ny fiara tsy mataho-dalàna iray teny an-toerana. Na izany aza anefa, raha ny loharanom-baovao azo dia tao anatin’ny fotoana fohy no nanantanterahan-dry zalahy ity asa ratsiny iny. Teratany Karàna, manana ny maha izy azy iray eto amintsika no manantanteraka fanamboaran-dalàna, mampitohy an’i Soavimasoandro sy Ivato, eny an-toerana. Isan’ireo teratany karàna miasa amin’izany ny mpitaiza an’ity tovolahy nisy naka an-keriny ity. Mba tonga nanara-maso teny an-toerana kosa ity farany tamin’io fotoana io. Malalaka tsy misy mpiambina rahateo ilay toeram-piasana, ka afaka miditra avokoa izay te hiditra. Toa izany ireto olona maromaro tao anatina fiara « Citroen » tsotsotra iray. Vao nivoaka izy ireo, avy hatrany dia namoaka basy sy nandrahona ireo mpiasa teo an-toerana, ary nanatona ilay tovolahy. Fiara iray tsy mataho-dalàna, nipetraka teo ihany no nampidiran’izy ireo ilay karàna. Vita izay, lasa izy ireo, nanao ho toy ireny mpitandro filaminana mitondra manam-pahefana ireny, teny amin’iny lalan’i Soavimasoandro iny. Raha ny fanazavana azo avy amin’ireo mpitandro filaminana hatrany dia tsy nisy nisaron-tava ireto olon-dratsy ireto. Tranga isan’ny nahagaga ihany koa, hoy izy ireo, ny fisian’ilay fiara tsy mataho-dalana, miloko matroka toa efa vonona, teo an-toerana. Tao anatin’ity fiara iray ity avokoa mantsy ny taratasin’ny fiara sy ny lakileny, izay marihina fa ana terantany vahiny hafa, miasa eo amin’io faritra io ihany koa. Navelan’ireo olon-dratsy teo kosa ilay fiara tsotsotra nentin’izy ireo tamin’ny voalohany. Tonga marobe teny an-toerana avy hatrany ireo pôlisy tamina fiara maromaro, saingy efa dila sy tsy tazana intsony ireo mpaka an-keriny. Araka ny angom-baovao isan-karazany dia tovolahy saika hanao vakansy eto Madagasikara ity nalain’ireo olon-dratsy an-keriny ity. Kamboty ny tenany ary rahalahin-drainy io mitaiza azy io, izay monina eny amin’iny faritra Mandrosoa iny. Hatramin’ny ora nanoratanay dia mbola tsy misy fitakiana vola aloha. Ny hany azon’ireo havany hatreto dia ny antson’ireo olon-dratsy avy amin’ny findain’ity karàna ity, milaza ny hoe « any am-pelatanan’izy ireo ilay tovolahy ». Dia tantara hafa mbola hitohy indray …
m.L