- Publicité -
lundi, juillet 7, 2025
AccueilFaits-DiversSoavimasoandro : Fatin-dehilahy hita tao anaty rano

Soavimasoandro : Fatin-dehilahy hita tao anaty rano

Taitra ny mpandeha vao maraina tetsy Laniera-Soavimasoandro omaly raha nahita razana tao anaty rano. Lehilahy manodidina ny 35 taona eo ilay hita faty raha araka ny tomban’izay nahita. Tsy fantatra anarana ary tsy nisy nahafantatra endrika ihany koa ny mponina teo an-toerana. Nandeha ny feo teo an-toerana fa efa ny alina no nisy nahita io razana io saingy tsy nisy sahy nikitika ny olona. Ny maraina vao nampandrenesina ny zandary sy ny BMH izay samy nanao ny asany. Ahiana ho nitondra moto ilay lehilahy ary mba hahafahana mangalatra an’izany dia novonoina aloha izy ary natsipy tao anaty rano. Tombana avokoa anefa izany satria vao nosokafana omaly ny fanadihadiana izay mety hamariparitra ny valin’izany. Tsy milamina ny fandriampahelamana, indrindra raha vao maizina ny andro. Nitranga tato ho ato ny vono olona ary isan’ny nampihorohoro ny olon-tsotra dia ny fisian’ilay tovovavy maty novonoina tamin’ny fomba feno habibiana teo akaikin’ny tranony. Eo anivon’ny sekoly nianarany dia mivarahontsana tanteraka ny mpiara-mianatra aminy noho ny zava-niseho. Vokatry ny tsy fandriampahalemana dia maty tanteraka ny fiainana amin’ny alina ary tsy misy afa-tsy ny mpanao ratsy sisa no miriaria eny amin’ny arabe. Maty manarak’izany ihany koa ny asa amin’ny alina ankoatry ny fivarotan-tena sy ny filokana. Nefa dia mba mety hampihena ny fitohanan’ny fifamoivoizana amin’ny antoandro, ny fivezivezen’ny olona be loatra eto Andrenivohitra amin’ny antoandro hatrany, ny fisian’ny asa amin’ny alina. Ary voaporofo izany any amin’ny tany mandroso.  

D.R

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici