May kila forehitra ny fiara telo izay nipetraka teo amin’ny parking iray etsy Soavimasoandro. Fiara nindramina ilay iray nirehitra voalohany, manodidina ny tamin’ny iray ora maraina omaly. Nindramina dia nentina namonjy mariazy ilay fiara tsara tarehy. Raha mba nijanona kely teo amin’ilay parking no nisy nandrehitra. Niitatra tany amin’ireo roa hafa izany dia Renault Dacia sy Peugeot 307. Nifamonjen’ny fokonolona ny famonoana ny afo saingy nandamoaka izany satria vetivety foana dia nahazo vahana be. Niandry ny mpamonjy voina vao maty tanteraka saingy efa tara loatra. Tsy nisy noraisina intsony ireo fiara telo. Nomarihan’ny kaomisaria miandraikitra ny boriborin-tany fahavalo fa tena narehitra ireo fiara ireo, nisy nisompatra. Misokatra ny fanadihadiana momba izany.
D.R