- Publicité -
lundi, mai 19, 2025
AccueilFaits-DiversSoavimasoandro: Kamiô nidona tamin’ny trano, olona iray naratra mafy

Soavimasoandro: Kamiô nidona tamin’ny trano, olona iray naratra mafy

kamio_ambodivonaNisosososo avy any ity kamiô iray, ary niafara tany anaty tranon’olona. Tetsy Ambodivona, Soavimasoandro no niseho ity loza ity, omaly maraina tokony ho tamin’ny 8ora tany ho any. Tovolahikely iray no tototry ny tany ary voatery nalefa haingana tany amin’ny hôpitaly. Araka ny fitantaran’ny mponina teny an-toerana, dia somary fidinana ilay lalana, ka avy any ambony avy ity kamiô be feno fasika, no tapaka hisatra ka avy hatrany dia namantana tany amin’ny trano iray teo amoron-dalana. Potika ny lohan’ity kamiô, ary rava tanteraka ny ampahany amin’io trano io. Tamin’ny ora nisehoan’ny loza dia mbola nisy olona telo tao anatiny, araka ny filazan’ireo nanatri-maso. Vehivavy ny iray, ary lehilahy roa ka mbola tovolahikely manodidina ny 14 taona ny iray amin’izy ireo izay tototry ny biriky. Nosokirina avy anaty ranon-tany tao mihitsy ity tovolahy kely ity, mbola nisy aina. Nivonto be ny lohany ary nisanaka feno tany ny vavany araka ny filazan’ireo mponina hatrany. Saingy tsy misy natahorana ny ainy. Mitaraina ireo mponina amin’io lalana eo amin’io toerana io,satria dia tsy vao izao no nisy fiara tapaka hisatra tahak’izao teo an-toerana. Mety hiafara amin’ny famoizana ain’olona betsaka ny loza toa izao.

Mike L.

- Publicité -
Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser