Omaly no niakatra teo anivon’ny fampanoavana ny raharaha Soavimasoandro na koa ilay ray nidaroka an-janany. Naiditra am-ponja vonjimaika ny tenany mandram-pahatongan’ny fotoam-pitsaràna azy amin’ny alakamisy 24 desambra hoavy izao. Ny fitsaràna ady heloka tsotra no hisahana izany. Fidarohana zaza (maltraitance d’enfant) no anenjehana ilay raim-pianakaviana ary notsipihan’ny mpisolovava azy tsara, Me Santanavalona, fa tsy misy mpitory izy. Ny polisy no nanokatra fanadihadiana rehefa nahita ny horonan-tsary izay niparitaka tamin’ny tambajotra sosialy, raha hiverenana kely. Nitonon-tena teny amin’ny birao foiben’ny polisy tetsy Tsaralalàna ny voakasika, roa andro taorian’ny tranga izay niseho tetsy Soavimasoandro. Ny tsikaritra tao anatin’ny raharaha dia nanenjika avokoa izay nahita tamin’ny facebook rehefa niparitaka ny sary. Andro vitsy taorian’izay dia nanomboka nizara ny hevitra. Indrindra koa rehefa nanao fialan-tsiny ampahibemaso ilay raim-pianakaviana, nanomboka nitsetra azy ny ankamaroan’ny mpisehatra amin’ny tambajotra sosialy. Omaly dia isan’ny nentin’ny mpisolovava azy ny dosie izay mikasika ny aretina izay iadivany mafy ankehitriny mba hangatahana amin’ny fitsaràna fanalefahana izay mety ho fanapahan-kevitra momba azy. Ankoatra ny fony izay efa misy fitaovana plastika, dia mbola misy fivontosana be ko any amin’ny faritry ny maha-lehilahy azy, raha araka io loharanom-baovao io. Momba an-janany indray dia mbola nanaovan’ny mpitsara misahana ny zaza tsy ampy taona fanadihadiana koa io farany omaly. Izany dia mahakasika ny tokony na tsia ny hametrahana azy eny anivon’ny fitaizàna zaza maditra. Raha araka ny vaovao farany azo dia nisy ny didy izay nandefasana azy hotaizàna eny amin’ny sampana miandraikitra ny zaza maditra. Eny Bevalala izy no hotaizana, raha araka ny fanampim-baovao. Midika arak’izany ny zava-misy fa ny fiainan’ilay ankohonana mihitsy no maloka tao anatin’ny indray mipi-maso monja. Ny ray nigadra, ny zanaka nesorina amin’ilay fianakaviana. Ny facebook no toa lasa fitsaràna…
D.R