- Publicité -
mardi, juillet 1, 2025
AccueilFaits-DiversSoavimasoandro : Tovovavy maty nianjeran’ny tamboho

Soavimasoandro : Tovovavy maty nianjeran’ny tamboho

Voatery nosokirina mihitsy ny fatin’ilay tovovavy nianjeran’ny tamboho teny Soavimasoandro, omaly maraina. Teo am-panahazan-damba izy no nianjera tampoka ilay tamboho ka tototra tao izy…

Maty tsy tra-drano avy hatrany ilay niharam-boina. Araka ny fitantaran’ireo olona teo amin’ny manodidina, niaraka nanahy lamba tamin’ny zaodahiny izy tamin’io fotoana io. nihotsaka tampoka anefa ilay tamboho vato ka nianjera teo amin’izy ireo. Afa-niala kosa anefa ilay zaodahiny fa izy no tena voa mafy ka tsy avotra intsony ny ainy. Voalaza fa teo amin’ny lohany no nianjeran’ireo vatobe tamin’ilay tamboho. Tampoka ny fiavin’ny loza ka tsy nanampo na inona na inona izy ireo. Somary efa motraky ny orana rahateo ilay tamboho ka izao nitarika famoizana ain’olona izao. Niezaka nifanome tanana tamin’ny fisokirana azy tao anaty biriky sy vato ireo mponina teo an-tanàna mialoha ny nahatongavan’ny mpamonjy voina.
Nisy ny fanentanana manokana nataon’ny mpamonjy voina tamin’ireo mponina teo an-tanàna manoloana ireny trano na tamboho ahina hirodana tampoka ireny, indrindra koa ireo hazo efa boboka ka atahorana hianjera. Tokony hiala avy hatrany sy hampandre ny tompon’andraikitra akaiky ireo olona monina na manakaiky ireny trano atahorana hianjera ireny. Ao anatin’ny vanim-potoana fahavaratra rahateo isika izao. Aoka ho malina hatrany.

D.R

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser