Mpangalatra taolam-paty enina mianadahy, voasambotry ny pôlisy tetsy Soavina Atsimondrano no nilaza tamin’ny fanadihadiana, fa “saika hamidin’izy ireo tamina teratany vahiny izany taolambalo izany, ary dimy hetsy ariary no saika hivarotana ny iray kilao” araka ny fampitam-baovao avy tamin’ny pôlisim-pirenena. Raha ny zava-nitranga, dia ny sabotsy lasa teo no nisy vaovao henon’ireo pôlisin’ny kaomisarian’i Tanjombato, mahakasika olona mitondra taolam-paty maromaro, izay milanja eo amin’ny 35 kilao eo ho eo. “Nanomboka teo dia nanao ny andraikiny ny Polisy ka nanao ny fikarohana. Fantatra fa handalo eny Soavina ireo olona mitondra taolam-paty ireo ka efa niatrana teny” hoy vaovao. Ny sabotsy tolakandro teo tokoa no nisy fiarakaretsaka nampiahiahy nandalo teny an-toerana. Niezahana nosakanana ity farany, saingy tsy nety nijanona fa “vao mainka nirifitra”. Voatery nanapoahana basy mihitsy izy ireo, ary nifanenjehana nony avy teo. Tsy lasa lavitra anefa dia tratra. “Nandritra ny famotorana natao azy ireo no nahalalana, fa fasana iray any Soavinarivo fokontany Anjanamanga, kaominina Ambatomanga, Distrikan’Arivonimamo no novakian’izy ireo ka nahazoana ireo taolan-dava ireo. Ny roalahy izay mipetraka any an-toerana no nanatanteraka ny vaky fasana ary nitondra izany tamin’ny bicyclette hatreo Mahitsy. Nampiarahina tamin’ny arina fandrehitra indray izany avy eo ka nentina taxi- brousse. Tetsy amin’ny Ampasika indray izy ireo no nalain’ireto fiara karetsaka ireto ary saika haterina any Soavina” hoy hatrany ny vaovao. Efa-dahy sy roa vavy no voasambotra tamin’io fotoana io, ary mbola misy roalahy, izay fantatra fa atidoha amin’ny fivarotana ireto taolam-paty ireto, no karohin’ny pôlisy fatratra amin’izao. Anio no hatolotra eny anivon’ny Fampanoavana ireto mpanimbazimba razana ireto.
m.L