- Publicité SW45 -
mercredi, juin 26, 2024
- Publicité -
AccueilFaits-DiversSoavina Atsimondrano : Lehilahy hita faty tao an-tranony

Soavina Atsimondrano : Lehilahy hita faty tao an-tranony

Vono olona ve? Lehilahy iray manodidina ny 30 taona any ho any no hita faty tao an-tranony, omaly alina, teny Soavina Atsimondrano. Raha ny fanazavana azo avy amin’ny mpitandro filaminana dia tsy nisy olona hafa ankoatra ity lehilahy ity irery no tao an-trano. Ny fofona hafahafa, efa niparitaka eraky ny tanàna no nanaitra ireo fokonolona teny an-toerana. Rehefa nozohina dia fantatra fa trano iray mihidy teo an-tanana no niavian’ity fofona ratsy ity. Nihidy mafy tany any anatiny anefa ny varavarana ka tsy azo nozahana izay tao anatiny. Teo no nanomboka nanapa-kevitra ireo fokonolona, niaraka tamin’ny tompon’andraikitry ny tanana, hiantso mpitandro filaminana. Akory anefa ny hatarain’ny rehetra, vatana mangatsiaka, nivalampatra teo ambony fandriana no hitan’izy rehetra. Efa teo an-dalam-pahasimbana ihany koa ny razana, ka tsy azo niainana ny fofona tao amin’ity trano ity. Taorian’ny fizahana nataon’ireo mpitsabo dia fantatra fa razana efa nisy teo amin’ny efatra andro mahery teo ity vatana mangatsiaka ity. Tsy nisy olona afa-tsy ity lehilahy hita faty ity no tao amin’ilay trano. Mbola tsy fantatra araka izany izay antony nahafaty azy. Ny fanampim-baovao azo, no nahafantarana fa manam-bady ity lehilahy ity, saingy tsy teo an-toerana kosa ity andefimandriny ity. Rehefa natao ny fikarohana dia hita ihany ramatoa ary nilaza fa narary io vadiny io. Mifono mistery tanteraka araka izany ity tranga teny ity. Raha fantatr’ity ramatoa ity mantsy fa teo an-dalam-pahafatesana rangahy, nahoana izy no tsy teny an-toerana, tao anatin’ny efatra andro ? Efa eny am-pelatananan’ny mpitandro filaminana ny raharaha, ary misokatra ny fanadihadiana.

m.L

- Publicité -
- Publicité -
- Publicité.-
Suivez nous
276,361FansJ'aime
4,243SuiveursSuivre
611AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser