- Publicité SW45 -
jeudi, mars 13, 2025
AccueilFaits-DiversSoavina Atsimondrano : Novonoiny ny zanany fa …

Soavina Atsimondrano : Novonoiny ny zanany fa …

Asa na dia efa reny toa inona loatra no mahavita mamono mahafaty ny menaky ny ainy, niaretana ny mangidy nandritry ny 9 volana. Fa dia misy sahy anefa ! Vehivavy 22 taona no nahavita namono ny zanany vavy kely 2 taona tamin’ny fomba mahatsiravina. Ny alahady lasa teo no nananterahany izay asa ratsy izany, raha ny filazan’ny tatitry ny pôlisy. Mody nilaza ny handeha hanome vola olona izy, tamin’io fotoana io niaraka tamin’ny zazakely, niverina avy any anefa izy, tsy nandeha tamin’ny lalany mahazatra sy tsy nitondra zazakely intsony ka nampieritreritra ny rahavaviny, nahita azy. Mody taitra izy, raha nanontaniana, araka ny vaovao voaray hatrany ary nilaza fa napetrany teo akaikiny teo ny zanany, ary niditra tao amin’ny WC, dia nety nisy naka avy eo. Hafahafa tamin’io rahavaviny io izany fihetsiny izany ka nitondra azy teny amin’ny mpitandro filaminana. Ny alatsinainy maraina, no hitan’ny mpanondraka anana, nitsingevana tao anaty dobo ny vatana mangatsiakan’ity tsy manan-tsiny. Nandà hatramin’ny farany ny famonoana an’io zanany io anefa ity vehivavy ity tao anatin’ny fanadihadiana natao azy, niaraka tamina lehilahy iray, rain-janany, raha ny fampitam-baovao hatrany. Ity farany dia nalefa nody rehefa voamarin’ireo mpanao fanadihadiana fa tsy nisy nidirana tamin’ilay raharaha mihitsy. Raha ny filazan’ireo mponina eny amin’ny manodidina indray mikasika ity tranga dia toa hoe “nisy lehilahy nampanantena ny hampiakatra azy ho vadiny raha toa ka tsy manan-janaka izy”. Natolotra ny fitsaràna omaly moa ity vehivavy ity ary izy ireo ihany no tompon’ny teny farany amin’ity raharaha ity. Ilay zazavavy kely tsy manan-tsiny kosa, nalevina ny andron’ny Alarobia lasa teo.

m.L

- Publicité -
Suivez nous
401,973FansJ'aime
9,563SuiveursSuivre
1,463AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser