Tsy nisy azo norasina intsony fa dia lavenona sisa no niafaran’ny jiolahy iray saron’ny fokonolona tao amin’ny kaominina Soavina, distrikan’i Betafo. Nitrangana fanafihana tao amin’ny tokantrano iray tao Soavina ny faramparan’ny herinandro lasa teo. Nisy tohatra tavela tao an-tokontany ka iny no nampiasain’ireo jiolahy nananika ny trano. Araka ny fanazavana nomen’ny ben’ny Tanana ao Soaviana dia tokony ho tamin’ny 11 ora alina tany ho any no nisehoan’ny fanafihana. Jiolahy efa-dahy no fantatra fa nikasa hanafika tokantrano iray. Teo amin’ny lavarangana no nananika tamin’ilay tohatra ireo jiolahy ary nandeha tsirairay. Efa ren’ny tompon-trano anefa ny fahatongavan’ireo mpandroba ka efa nivonona tamin’izany izy ireo. Vantany vao tafakatra ny iray dia vely angimba no niandry azy. Nianjera hatreny ambony ity farany ka tsy nahatsiaro tena intsony, nitsoaka nandositra ireo namany raha voa nahita azy. Nandritra izany, niantso vonjy ny tompon-trano, vetivety dia tonga maro no fokonolona. Mbola tsy nahatsiaro tena tsara akory ilay jioalahy dia efa raikitra indray ny daroka sy ny fitsaram-bahoaka. Rehefa hitan’ny fokonolona fa tsy nihetsika intsony ilay jiolahy dia nodorona. Tsy nisy tavela intsony na dia taolana aza fa dia lasa lavenona tanteraka io jiolahy io. Tafaporitsaka ireo namany telo ary efa eo am-pikarohana azy ny mpitandro filaminana amin’izao fotoana. Nahazo vahana ny fitsaram-bahoaka tato ho ato izao tao amin’ny distrikan’i Betafo. Efa leom-boanana amin’ny tsy fandriam-pahalemana ny mponina ka izay tratra aloha hatreto dia ny ainy no manefa.
Andry N .