- Publicité -
mardi, mai 13, 2025
AccueilFaits-DiversSoavina Betafo : Mpitondra bisikileta voafaokan’ny kamiao, maty tsy tra-drano

Soavina Betafo : Mpitondra bisikileta voafaokan’ny kamiao, maty tsy tra-drano

Nitrangana lozam-pifamoivizana tao amin’ny kaominina Soavina Betafo, lehilahy iray no maty tsy tradrano voafaokan’ny kamiao.

Fiara vaventy iray no iray lalana tamin’ity rangahy nitondra bisikileta ity tamin’ny zoma faran’ny herinandro lasa teo . Tao amin’ny fokontany Sahandray Antanety kaominina Soavina, distrikan’ny Betafo no nisehoan’ny loza. Tsy nampoizin’ilay nitondra bisikileta ny loza, avy any ariana rahateo no nifaoka azy ilay fiara vaventy, maty teo no eo ilay rangahy, voalaza fa tapaka ny tanany havanana ary vaky ny lohany, tsy nisy noraisina  intsony kosa ny bisikiletany.

Araka ny loharanom-baovao, nitsoaka nandositra ilay kamiao ary nariany tao Ankazomiriotra ilay fiara nentiny avy teo. Ny marainan’iny vao tonga tany Ankazomiriotra ny tompon’ny fiara ary nijery ilay niharam-boina. Araky ny feo re hatrany dia efa nisy ny fifanarahana teo amin’ny tompon’ny fiara sy ny niharam-boina, ilay mpamily kosa efa nosamborina.  Hiakatra fitsarana amin’ny zoma izao ny raharaha, raha ny fantatra hatrany ka amin’io no tena hahafantarana ny valin-tenin’ny fianakavian’ny niharam-boina.

Andry N.

- Publicité -
Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici