- Publicité SW45 -
mercredi, juin 26, 2024
- Publicité -
AccueilFaits-DiversSoavina : Voasambotra i Rola mpanendaka raindahiny

Soavina : Voasambotra i Rola mpanendaka raindahiny

Ny alahady lasa teo no tratra ambodiomby teny amin’ny faritr’i Soavina Atsimondrano ny mpanendaka raindahiny izay antsoina amin’ny anarana hoe Rola. Fiaraha-miasan’ny fokonolona sy ny polisy tao an-tanàna no nahasamborana ity jiolahy ity.Tamin’io mangiran-dratsin’ny alahady io izy telo lahy no nanatontosa asa fanendahana  lehilahy iray tratra alina ka nahazoan’izy ireo vola mitentina 150 000Ar sy finday. Raikitra ny fifanjevoana ary tratra tamin’ izany ity voalaza anarana etsy ambony, ny namany roa kosa lasa nitsoaka. Rehefa nanontaniana moa ity lehilahy, izay vao 26 taona monja, dia nanaiky fa tena manao ny asa fanendahana tokoa amin’ny faritra manakaiky ny eny Tanjombato iny, fa indrindra iny Vahilava iny.

Mbola eo am-pikarohana ny namany roa lahy izay tafaporitsika tamin’io fotoana io moa ny polisy amin’izao fotoana izao, ity tratra kosa dia efa natolotra ny fitsarana ny alatsinainy maraina.

Marihina moa fa samy avy eny amin’ny faritra manodidina eny ihany ny fonenan’ireto olon-dratsy ireto, toy ny tanàna antsoina hoe Ampanefy.

ALEM

- Publicité -
- Publicité -
- Publicité.-
Suivez nous
276,361FansJ'aime
4,243SuiveursSuivre
611AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser