- Publicité SW45 -
jeudi, mars 13, 2025
AccueilFaits-DiversSoavinanadriana : Dahalo maty voatifitra

Soavinanadriana : Dahalo maty voatifitra

Efa voatemitra manodidina ity mpangalatra omby ity saingy mbola nikasa ny hanohitra sy hitady hirika hitsoahana ihany.

Ny faran’ny volana teo, nitrangan’ny halatra omby tao amin’ny tanànan’i Morarivo, fokontany Manjakasoa, kaominina Mananasy, any amin’iny distrikan’i Soavinandriana iny. Nanao ny fanarahan-dia avy hatrany ny fokonolona, nampian’ny zandary teo anivon’ny tobim-paritra Soavinandriana. Tsy niandry ela dia efa voahodidin’ireo mpanenjika ireto olon-dratsy. Tsy nanaiky mora ny fanenjehana sy ny fisamborana azy anefa ilay dahalo ary nanao izay fara-heriny rehetra hitsoahana, eny fa na dia efa nampitandrina aza ireo mpanara-dia. Vao mainka aza moa fa nandrisika ity farany hanohitra sy hanambana fitaovam-piadiana ireo mpanenjika azy izany. Hany ka voatery nitifitra ireo mpitandro filaminana. Nirefotra ny basy ary voa ingahirainy. Nitolefika tao anaty rà mandriaka avy eo. Tsy tana ny ainy, hoy ny fampitam-baovao noho ny fahaverezan-drà be loatra.

Marihina fa avy any Amparaky, any amin’iny faritra Itasy ihany ity tovolahy mpangalata omby maty voatifitra ity. Ny vatana mangatsiakany moa, taorian’ny fizahana nataon’ireo mpitsabo dia efa nomena ny fianakaviany. Ireo biby izay nangalariny kosa dia efa tafaverina tamin’ny tompony.

m.L

- Publicité -
Suivez nous
401,973FansJ'aime
9,563SuiveursSuivre
1,463AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici