- Publicité SW45 -
vendredi, mars 29, 2024
AccueilFaits-DiversSoavinandriana : Dimy lahy nitondra kalachnikov nanafika

Soavinandriana : Dimy lahy nitondra kalachnikov nanafika

Iray no voatifitra ary naratra mafy. Tokony ho tamin’ny iray ora maraina teo, omaly, no nanafika tokantrano ny jiolahy miisa dimy nitondra kalachnikov. Nanao saron-tava ny roa tamin’ireo raha araka ny fanampim-panazavana azo. Nitifitra indroa ireo olon-dratsy ka niantefa tany amin’ny rangahy iray tao an-trano ny iray tamin’ireo bala. Antony izay niteraka ny faharatrany. Vola mitentina 300.000ariary sy finday iray no lasan’ireo olon-dratsy nandritra ity fanafihana ity. Ny teo anivon’ny mpitandro ny filaminana indray dia nilaza fa tsy bala akory no nahazo ilay rangahy ka namparatra azy fa ny pitiky ny vaky fitaratra tamin’ny naha-voatifitra ny varavaram-pitaratra. Omaly ihany dia nisokatra ny fanadihadiana momba ity raharaha fandrobana sy fikasàna hamono olona ity, antony roa izay samy heloka bevava avokoa. Hatramin’izay, rehefa misy ny fitifirana ataon’ny jiolahy, dia saika hita hatrany eny an-toerana ny taim-bala. Raha mba lasa lavitra ny fanadihadiana dia tokony ho fantatra ny toerana niavian’izy ireny. Saingy hatreto dia toa zary fomba fiteny mahazatra fotsiny sisa ny hoe « nisokatra ny fanadihadiana »

D.R

- Publicité Google Ads -
Suivez nous
276,361FansJ'aime
4,243SuiveursSuivre
611AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser