Omaly hariva faha-4 aprily, tokony ho tany amin’ny 7 ora tany ho any, nitrangana fanafihan-jiolahy teny amin’ny faritry Soavinandriana amin’ny boriboritany faha-telo eto an-drenivohitra. Ny vaovao voaray teny an-toerana no nahafantarana fa eo amin’ny efatra eo ireo jiolahy no tonga handroba. Mbola maro ny mpanadalo tamin’io ora io ka voalaza fa nisy nampandre ny mpitandro filaminana. Tsy ela dia teny amin’ilay toerana izy ireo. Raha nahita izany ireo mpandroba dia lasa nandositra fa tsy niandry na dia saika efa vitany aza ny halatra nataony. Nanomboka teo, raikitra ny fifanenjahana nanerana ny elakelatrano isan-karazany. Hatramin’izao anoratana izao, tsy nisy aloha ny jiolahy tratra, araka ny vaovao voaray. Ny andro rahateo efa maizina ka nananosarotra ihany ny nanenjika ireo olon-dratsy. Ny vaovoa voaray hatrany no nahafantarana fa toa hoe nisy basy avy amin’ireo jiolahy latsaka teny an-dalana ary hitan’ny mpitandro filaminana.
Andrenesana fanafihan-jiolahy mitam-basy, saika isaky ny alina eto an-drenivohitra. Mahazo fampandrenesana ny mpitandro filaminana ary tonga mizaha ny zava-misy. Amin’izany, rehefa mandeha ny fanadihadiana, dia toa efa misy fantatra ihany ireo manao izany fanafihana mitam-basy izany. Misy ny efa tratra fa maro koa ireo tafaporitsaka hatrany.
r.s.