Ny faha-10 septambra teo tamin’ny 11 ora alina, notafihana jiolahy miisa fito nitondra basim-borona sy antsy maranitra ny fivarotana iray tao amin’ny tanana antsoina hoe Ambatoasana Centre any Soavinandriana. Vokany lasan’ireo mpandroba ny vola mitentina hatrany amin’ny 600 000 ariary sy entam-barotra maro. Tsy vitan’izany fa voatifitra teo amin’ny lohany ny tompon’ny tsena. Soa aloha fa mba tsy maty ilay lehilahy fa naratra mafy kosa. Ankoatra izany, niharan’ny habibiana ny vadiny ary voalaza fa folaka ny valahany tamin’ny vono nihatra taminy. Manamarika ny mpampita vaovao fa eo amin’ny 50 taona eo ity ramatoa ity. Na izany aza, tsy maintsy nampidirina hopitaly izy mivady ireo. Raha vao nahazo izay nalainy ireo bandy dia rifatra nandositra, hoy hatrany ny vaovao. Ireo nahita ny fanafihana dia niray feo nilaza fa nandeha nianatsimo andrefana ireo mpandroba. Vao nahazo ny vaovao ny zandary avy ao amin’ny PA Ambatoasana dia raikitra ny fanarahan-dia. Tsy mbola nisy tratra aloha hatramin’izao. Tsy mijanona eo anefa ny fikarohana ireo olon-dratsy fa mitohy hatrany. Etsy an-daniny, misokatra ny fanadihadiana.
r.s.