- Publicité -
samedi, juillet 12, 2025
AccueilFaits-DiversSoavinandriana : Gadra efadahy mbola tratra namaky trano

Soavinandriana : Gadra efadahy mbola tratra namaky trano

Misy fahagagana mihitsy any amin’ireo fonja sasantsany eto amintsika. Efadahy izay fantatra fa mbola mamita ny saziny ao amin’ny fonjan’i Miarinarivo no tra-tehaka namaky trano indray any Soavinandriana, ny faran’ny herinandro teo, araka ny fampitam-bavao azo avy amin’ny polisim-pirenena. Birao sy fivarotana iray no nataon’izy ireo lasibatra tamin’izany. Entana sarobidy isan-karazany no lasa araka iny fampitam-baovao azo hatrany. Marihana fa tamin’io fotoana io dia nisy fahatampahan-jiro tao an-tanana ka tamin’izany no nohararaotin’ireto olon-dratsy nanaovana ny asa ratsiny. Taorian’ireo vaky trano no niantso pôlisy tany an-toerana ireo niharam-boina ary natao ny fanadihadiana. Tsy niandry ela akory fa ny ampitson’io, ny alatsinainy dia nisy ramatoa anankiroa nosamborina. Tsy tahotra tsy henatra mantsy fa dia namelatra entana soa aman-tsara teo an-tsena ireto ramatoa ireto. Tsy inona akory ireto entana namidiny fa ireo entana halatra tao amin’ireo birao sy ilay fivarotana, ka dia noraisim-potsiny. Tamin’ny famotorana natao ireto farany no nahalalan’ireo mpanao fanadihadiana fa « gadra efadahy ao Miarinarivo no nanatitra ny entana tao amin’ireto ramatoa ireto mba amidy any Soavinandriana ».  Ary tsy vitan’izay fa «  gadra mbola mifonja izy ireto kanefa mbola mahavita mamaky trano any Soavinandriana ihany ». Niaiky tanteraka ny heloka vitany moa izy ireo, tamin’ny fakàna am-bavany azy raha ny fanazavàna azo hatrany. Raha ny tokony ho izy dia tsy hijanona hatreo ity raharaha ity. Fanontaniana mbola betsaka no tokony ho valiana ahitàna ny marina sy tsy hiverenan’ny toa izao intsony. Tsy ao Miarinarivo ihany mantsy no misy ity trangana ity fa saika maro ireo fonja ahenoana ny toa izany.

m.L

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

2 Commentaires

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici