- Publicité -
mardi, mai 13, 2025
AccueilFaits-DiversSoavinandriana Itasy : Lasan’ny jiolahy ny 6 tapitrisa ariary

Soavinandriana Itasy : Lasan’ny jiolahy ny 6 tapitrisa ariary

Ny sabotsy lasa teo, tonga nanafika tany amin’ny faritr’i Soaviandraina ny andian-jiolahy miisa sivy ary nirongo basy. Avy hatrany dia napoakan’izy ireo ny basy teny aminy ka samy toran-kovitra daholo ny mponina. Noteteziny ny tanàna ary voalaza fa niantso mafy izy ireo nanao hoe “aiza ny vola?”. Ny vaovao voaray hatrany no hilazana fa tsy niditra an-keriny tany an-trano ry zalahy fa dia io nanao ramatahora tamin’ny basy io fotsiny. Teo anatrehan’izany dia voatery nanome izay vola tany aminy ireo mponina. Rehefa notontaliana izany dia toa nahatratra hatrany amin’ny 6 tapitrisa ariary. Rehefa azon’ireo jiolahy izany volabe izany dia lasa nandeha niala mora ry zalahy.

r.s.

- Publicité -
Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser