- Publicité SW45 -
vendredi, décembre 27, 2024
- Publicité -
AccueilFaits-DiversSoavinandriana Itasy : Lehilahy voalaza fa nangalatra mangahazo, maty novonoin’ny tompony

Soavinandriana Itasy : Lehilahy voalaza fa nangalatra mangahazo, maty novonoin’ny tompony

Ilay lehilahy niniana novonoina fa hoe tratra nangalatra.

Nodarodarohana sy novelesina kibay ary tsy namelan’ilay namono raha tsy tapitra teo noho eo ihany ainy. Tranga mahatsiravina niseho tao amin’ny tanana iray antsoina hoe Ambatolampy ao amin’ny kaominina Amberomanga, 50 kilaometatra miala ny tampon-tananan’i Soavinandriana Itasy iny.

Omaly maraina no tonga nametraka fitoriana tany amin’ny biraon’ny kaomisaria tao Soavinandriana ny fianakavian’ny maty. Nandray an-tanana ny raharaha ny teo anivon’ny pôlisy, araka ny baiko nomen’ny Lehiben’ny kaomisaria tao an-toerana, Officier de Police Razanajatovo Tsiorinirina ary nisy ny fidinana teny an-toerana, niaraka tamin’ny mpitsabo, hijery ifotony zava-nisy. Efa vatana mangatsiaka feno mangana sy ratra no novantanin’izy ireo. Ary izany vono nihatra tamin’ity lehilahy 38 taona ity izany no nambaran’ny mpitsabo taorian’ny fitsirihana azy fa antony tokoa nahafaty azy.

Marihana fa efa ny talata alina, tokony ho tamin’ny valo ora tany ho any no niseho ity tranga ity, araka ny fanazavana nomena an’ireo pôlisy tonga nanao ny fanadihadiana. Tamin’izay fotoana dia voalaza fa hoe tratra nangalatra mangahazo teny an-tanimboly ity lehilahy namoy ny ainy ity. Ny tompon’ny tany no nahasambotra azy tamin’io fotoana io. Tsy nieritreritra ny hanolotra azy eny anivon’ireo tompon’andraikitry ny filaminana mahefa anefa ity farany fa avy hatrany dia nanao ny fitsaràny azy manokana. Ka izao niafara tamina vono niniana natao izao.

Raha ny vaovao azo hatrany moa dia samy monina eo amin’io tanana voalaza etsy ambony io na ilay lasibatra na ilay namono. Saika handeha hiroso tamin’ny fisamborana ilay tompon’antoka ny pôlisy no fantatra fa efa tsy tao an-toerana intsony izany olona izany. Nitsoaka niaraka tamin’ny vadiny ity farany, araka ny angom-baovao, talohan’ny fahatongavan’ireo mpitandro filaminana. Ao anatin’ny fanadihadiana tanteraka, mahakasika ity raharaha ity ny pôlisy any an-toerana amin’izao fotoana izao, indrindra fa ny fikarohana ireo nahavanon-doza. Tsara marihana fa enjehin’ny lalàna velona eto amintsika ny fanaovana fitsaram-bahoaka na inona na inona antony. Fa indrindra raha hoe zavatra kely foana no entina handatsahana ain’olona …

m.L

- Publicité -
- Publicité -
Suivez nous
401,973FansJ'aime
9,563SuiveursSuivre
1,463AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici