Azo tsapain-tanana ny vokatra, ary noho izay antony izay indrindra no nanosika ny solombavambahoaka voafidy tao Soavinandriana sy ny lehiben’ny distrika, hanome ireto fitaovam-piasàna ireto, ho an’ireo mpitandro filaminana any an-toerana, amin’ny alalan’ny fandaharan’asan’ny Ciad. Môtô « cross » miisa efatra no nomen’ity olom-boafidy ity ho an’ny pôlisy miasa eo anivon’ny kaomisarian’ny Soavinandriana Itasy. Ireto farany izay tsy miantsehatra fotsiny ao an-drenivohitry ny distrika fa midina hatrany ambanivohitra lavitra, izay hiaraha-mahalala ny fahasarotan-dalana.
Ankoatry ny pôlisy dia nahazo ny anjarany ihany koa ny teo anivon’ny zandarimariam-pirenena sy ny teo anivon’ny Tafika Malagasy. Ny herinandro lasa teo moa no natao ny lanonana fanolorana ireto fitaovana ireto tany an-toerana, izay notronin’ireo tompon’andraikitra ambony isan-tsokajiny avy eo anivon’ireto mpitandro filaminana telolafy. Ireto farany izay nankasitraka feno ny fitondram-panjakana no nanome fisaorana ho an-dramatoa solombavambahoaka.
Nangonin’i m.L