Tra-tehaka teo am-panaovana ny asa ratsiny ity olon-dratsy iray, tany amin’iny distrika Soavinandriana iny, ny faran’ny volana lasa teo. Mbola izy indray anefa no nanohitra ireo olona nahatratra azy ka voatery namono ireto farany.
Ny alahady lasa teo no nitrangan’ity fitsaram-bahoaka iray ity, tao Andranomavo, ao amin’ny fokontany Tsitakondaza, kaominina Mananasy. Tokony ho tamin’ny 11 ora alina lasa teo iny tokoa mantsy no nisy olona niditra tao amina tokantrano iray tao amin’io tanàna io. Raha teo am-piomanana ny hanao ny asa ratsiny mihitsy ranamana no sendra tsikaritr’ireo andrimasom-pokonolona izay teo am-pisafoana ny tanàna. Nitsoaka nandositra avy hatrany ilay olon-dratsy, saingy nanenjika avy tao aoriana ireo fokonolona. Tsy ela dia voasambotra ity olon-dratsy. Tsy nanaiky mora ny fisamborana azy anefa ity farany fa vao mainka namaly ireo mpisambotra tsotr’izao, ary niomana ny hanohitra niaraka tamin’ireo fitaovam-piadiana teny aminy. Voatery niaro tena ireo mpisambotra tamin’io fotoana io ary nanao izay handavoana tanteraka ity olon-dratsy. Tao anatin’izany ady sy tolona izany no naratra mafy ity farany. Izy irery rahateo, manoloana ireto fokonolona nahatratra azy. Nitarika hatrany amin’ny fahafatesany mihitsy moa izay ratra nahazo azy izany, araka ny fampitam-baovao azo. Taorian’io no nampandrenesina ireo zandary any an-toerana ka nandeha nidina avy hatrany tany an-toerana nizaha ifotony ny zava-nisy niaraka tamin’ny mpitsabo. Nisokatra teo moa ny fanadihadiana natao mahakasika ity raharaha ity.
m.L