- Publicité SW45 -
samedi, juillet 6, 2024
- Publicité -
AccueilFaits-DiversSoavinandriana :  Lonilony saika hanapahana lohan’olona

Soavinandriana :  Lonilony saika hanapahana lohan’olona

Tsindron’antsy maromaro no efa niantefa tamin’ity tovolahy iray. Tsy vitan’izay fa efa nandeha naka sabatra, handeha hanapaka ny lohany ilay nahavon-doza no tonga ny olona, izay avy hatrany dia niaro azy. Voasambotra ilay mpamono ary saika nivoana tamin’ny fitsaram-bahoaka ny raharaha, saingy tonga haingana ny polisy. Tranga niseho ny faran’ny herinandro lasa teo tao amin’ny kaominina Mananasy, distrikan’i Soavinandriana Itasy. Raha ny fanazavana azo avy amin’ireo mpanao famotorana dia lonilonim-piaraha-monina no nahatonga ity fandratrana olona ity. Ny iray tamin’ireo mpamono rahateo efa somary malaza ratsy ihany any an-toerana, noho izy voalaza fa mpampihorohoro sy mpiray tendro amin’ny dahalo. Vokatr’ilay lonilony sy kakay dia efa nandrasany kendritohana fotsiny ilay tovolahy lasibatra. Tamin’io fotoana io, sendra hamangy havana tao Belavenona ity lehilahy ity no nifanena tamin’io lehilahy tsy nifanaraka taminy io. Noleran’ity farany ny antsy avy hatrany avy any aoriana izy saingy mbola afaka nanohitra. Kanjo tao anatin’izay no nisy nanatrobaka antsy azy hafa indray, izay naman’ilay mpamono ihany koa. Rehef lavo tamin’izay ilay lasibatra no nokasain’izy ireo ho tapahin-doha, kanjo io tonga io ny fokonolona. Raikitra ny fifanenjehana. Vosambotra izy roalahy mpamono. Ireo mpisambotra rahateo efa leo ny ramatahora nataon’ity mpinamana amin’ny dahalo ity ka nikasa ny hanao fitsaram-bahoaka azy ireo. Efa maro rahateo no nitondra faisana taminy raha ny vaovao azo hatrany. Niditra an-tsehatra avy hatrany anefa ny polisy avy ao amin’ny kaomisarian’i Soavinandriana, niezaka nandamina ireo vahoaka. Nentina namonjy fitsaboana haingana kosa ilay naratra voatsindron’antsy. Nentina natao famotorana avy hatrany moa ireto mpamono olona ireto, niaraka tamin’ny vehivavy iray, renin’izy ireo sy lehilahy zazamainty voalaza fa tompon’ny fitaovam-piadiana saika hanaperana ny ain’ilay tovolahy. Ny alakamisy teo no natolotra ny Fampanoavana izy efatra ireto. Ka nadoboka am-ponja avy hatrany izy roalahy nanao mivantana ilay asa ratsy. Nomena fahafahana vonjimaika kosa vehivavy sy ilay zazamainty. Niakatra fanadihadiana lalina moa ny raharaha amin’ny 10 novambra ho avy izao.  

m.L

- Publicité -
- Publicité -
Suivez nous
387,795FansJ'aime
7,021SuiveursSuivre
1,030AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici