- Publicité -
lundi, juillet 7, 2025
AccueilFaits-DiversSoavinandriana : Mpivady miara-mibizina rongony

Soavinandriana : Mpivady miara-mibizina rongony

Teo am-pamonosana ireo rongony tamin’ny gony, atao tonga dia vonona hamidy mihitsy izy mivady ireto no tra-tehaky ny zandary avy ao amin’ny Vondron-tobim-paritra ao Miarinarivo, tany amin’iny distrikan’i Soavinandriana iny, ny talata lasa teo.

Mampanaotao foana ! Maro amin’ireo tokantrano eto amintsika tokoa izao no efa zara raha mihinana amin’ny hanoanany, noho ny tsy fandehanan’ny asa fivelomana amin’ny ara-dalàna izay nateraky ny fiparitahan’ity valanaretina mampidi-doza ity. Hany ka maro ireo lasa manaotao foana sy mirona any amin’ny asa ratsy, ahafahana mivelona. Angamba mety ho izay ireo mpivady voasambotra tao amin’ny fokontany iray tao Ampary, distrikan’i Soavinandriana ireto. Izy mivady ireto mihitsy mantsy no miara-misalahy amin’ny bizina rongony ary manaparitaka izany any amin’iny faritra iny. Araka ny fampitam-baovao avy amin’ny zandary dia tonga teny am-poto-tsofin’izy ireo ny feo milaza fa misy tokantrano iray mivarotra sy manaparitaka rongony any amin’iny faritra Itasy iny ka maharoboka ny ankabeazan’ny tanora. Natao ny fanadihadiana sy ny fanaraha-maso ka niantefa tamin’ity trano iray tao amin’ny kaominina Ampary ity ny loharano izay hipoiran’ireo fonosan-drongony. Nidina avy hatrany tany an-toerana izany ka mbola tratra ary somokotra teo am-pamonosana rongony mihitsy izy ireo, izay efa nahavita tany ho any amin’ny 200 isa tany ho any. Nogiazana avy hatrany moa ireo zava-mahadomelina ary nentiny natao famotorana izy mivady. Niara-niaiky izy roa tao anatin’ny fakàna ambavany fa azy ireo tokoa ireo rongony. Omaly izy ireo no natolotra ny Fampanoavana ka nadoboka am-ponja vonjimaika ao amin’ny fonjan’i Miarinarivo.

m.L

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici