- Publicité -
dimanche, juillet 13, 2025
AccueilFaits-DiversSoavinandriana : Naolan-drainy ny zanany vavy vao 16 taona

Soavinandriana : Naolan-drainy ny zanany vavy vao 16 taona

Tsy mifadi-trovana, ity raim-piankaviana nahavita nanolana sy nanao firaisana ara-nofo tamin’ny zanany vavy vao 16 taona. Voasambotry ny Polisy avy hatrany ity raim-piankaviana 57 taona. Araka ny fanazavana, nitsabo tena tany Antsirabe ny renim-pianakaviana ary ilay tovovavy 16 taona sy ny rainy sisa no tao an-trano tany amin’ny faritra Ampatsaharana, kaominina Soavinandriana. Nitsiry tamin’izany ny filan-dratsin’ilay rainy ka ny zanany vavy indray no naolany tao an-trano. Nisy olona nahafantatra ity tranga ity ka nampian’ny vondrona miaro ny zon’ny vehivavy sy ankizy ity olona ity mba hiaraka ho any amin’ny Polisy hiarovana ilay zaza. Nandray ny andraikiny ny Polisy avy ao amin’ny kaomisaria ny Soavinandriana Itasy ary nosamborina avy hatrany ilay raim-pianakaviana 57 taona. Fantatra tamin’izany fa nisy ny firaisana ara-nofo nataon’ny rainy tamin’ilay tovovavy na dia niezaka ny nanafina izany ary ilay zanany noho ny tahotra nahazo azy. Tao anatin’ny fanadihadiana ihany koa no nahalalana fa nitondra vohoka ity tovovavy ity noho io toetra ratsy nataon’ny rainy taminy io ary efa nanala zaza izy.  » Entanina hatrany isika mba hanatona ny mpitandro ny filaminana akaiky antsika raha sendran’ny herisetra atao amin’ny marefo tahaka izao » hoy ny fanamafisana. Hatolotra ny fitsarana tsy ho ela ny raharaha. Tao anatin’ny roa herinandro monja, efa trangana fanolanana miisa telo no hita teto amintsika. Taloan’ity farany ilay zazalahy 14 taona nisy nanolana naterina tao Befelatanana. Mbola mandeha ny fanadihadiana mikasika ity tranga farany.

Yv Sam

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici