Lehilahy iray milaza ho pôlisy avy etsy amin’ny kaomisarian’i Miarinarivo no nosamborin’ny pôlisy avy ao Soavinandriana ny sabotsy lasa teo, noho ny resaka fisolokiana izay nahavoarohirohy azy. Raha ny vaovao azo, avy amin’ireo sampana serasera avy eo anivon’ny pôlisim-pirenena dia voatery niditra an-tsehatra ireto tompon’andraikitry ny filaminana avy ao amin’ny kaomisarian’i Soavinandriana ireto, rehefa nisy ny fitairanana azon’izy ireo mahakasika ny nataon’ity lehilahy ity. Raha ny fantatra mantsy dia milaza fa pôlisy ranamana ary miasa any Miarinarivo. Tsy vitan’izay anefa fa mbola hoe afaka mahatafiditra ho pôlisy ny tenany. Mazava ho azy, anisan’ny asam-panjakana iray mahaliana ny olona tokoa ny ho isan’ny fianakaviam-ben’ny pôlisim-pirenena ka misy mihitsy ny sasantsany amin’ireny olona ireny mandoa-danitra ahafahana manao izany. Rehefa nahafantatra izany ary ireto olona nanao ny fitairanana dia roboka tokoa. Voalazan’ny vaovao fa vola manodidina ny roa tapitrisa ariary tany ho any no notakian’ity pôlisy sandoka ity tany amin’ireto olona ireto, ho tambin’ny fampidirana ho isan’ny mpianatra pôlisy. Tsy mahagaga intsony anefa ny fandehan-javatra nony avy eo, satria rehefa azony ilay vola dia tsy nahazoana fifandraisana mihitsy izy, ka izay no nametrahan’ity olona ity ny fitoriana, hoy ny vaovao. Ny sabotsy lasa teo no voasambotra tao amin’ny fokontany Ampitsaharana, distrikan’i Soavinandriana, ny lehilahy. Fisolokiana sy ny fisandohana andraikitra no isan’ireo anenjehana azy, hoy hatrany ny vaovao. Notazonina avy hatrany tao amin’ny biraon’ny kaomisarian’i Soavinandriana moa ity farany natao andrimaso sy natao famotorana.
m.L