Habibiana tsy roa aman-tany no nihatra tamin’ity pôlisim-bohitra (quartier mobile) iray sy ny vady aman-janany ny sabotsy lasa teo tany amin’ny kaominina Mananasy any amin’iny distrikan’i Soavinandriana iny. Rehefa avy nofiraina antsy mantsy ity raim-pianakaviana ity dia nodoran’ireto nahavanon-doza ny trano, mbola tao anatin’izany vady aman-janany. Vokany, namoy ny ainy ity lehilahy ity, naratra kosa ny zanany. May tanteraka ny tranony, ary nitatra tamina trano roa teo amin’ny manodidina ny afo. Raha ny zava-nitranga : ny sabotsy hariva lasa teo, tokony ho tamin’ny fito ora hariva, niditra an-keriny tao amin’ity tokantrano iray, tao Amparihimanga ny jiolahy manodidina ny fito telo. Nirongo benitra sy antsy lava ary zava-maranitra isan-karazany ireto olon-dratsy ireto tamin’io fotoana io. Norahonan’ireo olon-dratsy ity rangahy ity niaraka tamin’ny fianakaviany. Amin’ny maha- quartier mobile azy, dia saika hanohitra ireto olon-dratsy ny tenany saingy tratran’ny be noho ny vitsy. Nodidian’ireo olon-dratsy tamin’ny antsy ity raim-pianakaviana ity, ary maty tsy tra-drano. Voadaroka ihany koa tetsy andanin’izay ny zanaka lahin’ity rangahy ity raha saika mba hanampy an-drainy teo am-panoherana ireto fitolahy ireto. Tsy vitan’ny efa nandatsaka aina sy nandratra olona anefa ireto farany fa mbola nodoran’izy ireo ity trano ity, niaraka tamin’ireo olona tao anatiny. Vita ny asa ratsiny dia nandositra nitsoaka izy ireo. Raha vao nahita ny afo kosa tetsy an-danin’izay ireo mponina dia niezaka namonjy. Saingy mbola nitatra tamin’ireo trano teo amin’ny manodidina ihany anefa ny afo. Avotra soa aman-tsara kosa, tetsy andanin’izay ireo olona tao anatiny. Ankoatra ilay raim-pianakaviana izay efa tsy nisy aina intsony, tao amin’ilay trano nodoran’ireo olon-dratsy ka lasa kilalaon’ny afo tao. Sotasota sa tena asan-jiolahy ? Fantatra fa efa eny am-pelatanan’ny zandary any an-toerana ny raharaha amin’izao fotoana izao.
m.L