
Tany amin’ny toerana tsy tongan’ny fiara na môtô ary mbola lalana mandeha an-tongotra ora telo no nandeven’ireo olon-dratsy ity tovolahy ity, rehefa novonoin’izy ireo tamin’ny fomba feno habibiana tanteraka. Noho ny antony tsy fantatra hatreto …
Nanomboka tany Arivonimamo ny tantara, tokony ho efa-bolana lasa izay ary io niafara tany Soavinandriana io. Raha tsiahivina, ny voalohan’ny volana martsa lasa teo no nanomboka tsy hita popoka i Mihandry, tovolahy 24 taona, monina ao Arivonimamo. Voalaza fa an-dalana handeha hamonjy fodiana avy niasa izy no nisy nahita farany, niaraka tamin’ny kodiaran-droa nentiny. Nanomboka teo ny fikarohana nataon’ireo fianakaviana sy ny teo anivon’ny zandary. Tao anatin’ny fanadihadiana no nahafantarana fa nifanena tamin’ny olona roa ity farany ary nandresy lahatra azy handeha hividy vary any amin’iny faritra Analavory sy Soavinandriana iny. Roboka tamin’ity noheverina fa ho afera ity ny lehilahy ary nanaraka ireto olona ireto. Tany dia tsy hita intsony anefa. Niroso ihany ny famotorana ka nisy ireo olona noahiahiana. Hita ihany koa ilay kodiaran-droa fentiny miasa. Nosamborina ary nanaovana famotorana iretsy noahiahiana iretsy. Miisa roa izy ireo, hoy ny fampitam-baovao. Nibaboka ihany ny iray tamin’izy ireo nony farany : novonoina i Mihandry ary nalevin’izy ireo any Soavinandriana any ny razana. Nanoro ny toerana moa ity farany. « Toerana faran’izay saro-dalana, mbola atao dia an-tongotra fa tsy vitan’ny fiara na môtô, tao amin’ny hoe Ambohitrambo, fokontany Fiantsonana, kaominina Soavinandriana, no nanitrihana sy nanafenan’izy ireo olon-dratsy ny razana », hoy ny vaovao. Hita tao amin’ilay toerana natoron’ireo mpamono tokoa ny sisa vata-mangatsiakan’ity tovolahy ity, izay efa tsy nisy azo namantarana azy intsony. Omaly no nofongarina teny an-toerana ny razana. Tonga teny an-toerana moa ireo tompon’andraikitry ny famotorana, niaraka tamin’ireo fianakaviana. Nisy moa ireo nanolotra fanampiana ny fianakaviana amin’ny fampodiana azy any an-tanindrazany. Mbola mitohy kosa etsy andanin’izay ny fanadihadiana ataon’ireo zandary avy ao amin’ny tobim-paritra Arivonimamo, tompon’andraikitry ny famotorana.
m.L