Nisy iray voatifitra tamin’izy ireo. Izany no nitranga tany amin’ny fokontany Ankaranana tamin’ny herinandro lasa teo. Nisy olona 15 izay mpanangom-bokatra ary mampiasa trakitera amin’ny fivezivezeny. Toa efa fantan’ireo olon-dratsy angamba fa misy vola eny amin’ireo olona. Nosakanana ilay trakitera ary nambanana basy ny olona nentiny. Tsy vitan’ny fampihorohoroana fotsiny no nitranga satria nisy iray izay avy hatrany dia notifirin’ireo mpanafika tamin’ny basy izay teny amin’izy ireo. Naratra mafy ilay olona. Raikitra amin’izay ny fandrobàna ary fantatra fa vola mitentina 12,8 tapitrisa ariary no lasa tao anatin’izany. Tsy nisy azo natao fa dia narahina fotsiny sisa ny baikon’ireo olon-dratsy. Enin-dahy ny isan’izy ireo ary basy vita gasy no nampiasaina tamin’ity fanafihana ity. Tao anatin’ny haizina ary lavitra olona no nitranga ny fandrobàna izay tsy nampoizina satria efa fanaon’ireo olona matetika ny mandeha trakitera kanefa mbola tsy tratran’ny toa izao izy ireo.
Ambohibao
Kidnapping niafara tamin’ny vonoan’olona ?
Na mbola tsy tena manomboka aza ny fanadihadiana nataon’ny mpitandro ny filaminana mahakasika ilay fahitàna razana (zaza 11 taona antsoina hoe Ny Avo) tao anaty rano tetsy Ambohibao, dia efa mivoatra tsikelikely ny vaovao mahakasika izany. « Naheno tokoa izahay fa nisy ny fitakiam-bola nataon’olona tamin’ny renin’ny maty. Hatreto anefa dia tsy mbola afaka ny manamarina izany satria isan’ny hiompana amin’izay ny fanadihadiana. Ny fitoriana rahateo dia aorian’ny fandevenana no hametraka izany ny fianakavian’ny maty » raha araka ny fanazavan’ny mpitandro ny filaminana. Amin’ny tambajotran-tserasera indray dia nisy ny nilaza fa nangataka 15 tapitrisa ariary an-telefaonina ireo olon-dratsy. Nivoatra haingana be anefa ny vaovao izay niparitaka ary mety natahotra izy ireo ary dia niafara tamin’ny famonoana ilay zaza izany, raha araka ny hita tamin’ny tambajotra sosialy hatrany. Raha mitombina izany dia kidnapping niafara tamin’ny famonoana ity tranga ity.
Tanà
Lany andro amin’ny fitohanan’ny fifamoivoizana
Tsy misy izay tsy mitaraina amin’ny fitohanana lavareny mahakasika ny fifamoivoizana eto an-drenivohitra. Ekena fa misy ny fanamboaran-dàlana etsy sy eroa ary miraikitra tanteraka ny fiarakodia. Efa fantatra izany ary tsy azo hivalozana fa ny mahatalanjona dia toa tsy mampihemotra ny olona ny hamoaka ny fiarany hatrany izany ary dia samy mahavita miaritra adim-pamataranandro maro ao anatin’izany izay mampiasa làlana. Vokany, sempotra tanteraka Antananarivo ary tsy mbola ato ho ato no hivaha ny olana. Tsy mba misy rahateo ny fandaminana, asa hatao inona fotsiny ny injenera marobe amin’ny fanajariana ny tanàna. Hatreto dia tsy mbola tanteraka ny fanamboarana izay hatao amin’ny alina ary tsy mba hasiana « déviation » mba hamahana vonjimaika ny olana. Fa dia samy miraikitra eo ary samy miaritra. Etsy ankilan’izany, tsy mety sahy ny mandrodana ny toerana izay entina hanalalahana ny làlana ny tompon’andraikitra noho ny tahotra. Tsy maintsy mandalo amin’izany anefa rehefa hanitatra. Ampahany amin’ny olana ihany ireo. Mba handrasana amin’ny manam-pahaizana ny vidin’ny solika izay very, ny vidin’ny ora izay very ary indrindra koa ny kalitaon’ny rivotra izay vokatry ny fitohanan’ny fifamoivoizana. Mety mba hanentana ny olona izany amin’ny fitadiavam-bahaolana. Sempotra tanteraka Tanà…
Nangonin’i D.R